Boriboritany V – Nahatsiaro ireo sahirana ny fikambanana Fafi V
Taorian’ny fanokafana ny Tsena Fanantenana eny ambohimirary dia nidina ifotony indray omaly ny fikambanana Fafi V, notarihan-dRamatoa Hanitriniala Raholdina vadin’i solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, izay voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy. Mahatsapa ity fikambanana ity fa miaina ao anaty fahasahiranana loatra ny vahoaka Malagasy ka miezak izy ireo mitady izay fomba hoentina mampifaly ireo sahirana amin’izao ankatoky ny noely sy ny taom-baovao izao. Natomboka teny Ivandry, Androhibe ary Ankerana ny fizarana vary ,menaka , vatomamy sy bisky, sôkôla ary hazo noely sy kilalao isankarazany ho an’ny ankizy miisa 100 mahery isam-pokontany. Tao anatin’ny fifaliana tanteraka no nanatanterahana izany lanonana fanasoavana ny vahoaka ao amin’ny boriboritany fahadimy izany. Raha ampitahaina ireo depiote rehetra ao amin’ny antenimieram-pirenena dia ny avy ao amin’ny boriboritany fahadimy no manakaiky indrindra ny vahoaka nametraka fitokisana taminy sy mihaino ny feon’izy ireo ary mitondra ny fitarainanan’izy ireo. Najanona teto ny resaka politika fa naira-paly tanteraka tamin’ny vahoaka ny Fafi V ka nampiara-peo mihitsy. tamin’ny ilay hira hoe“afaka aho” . Nanararaotra ihany koa teto ny filohan’ny fafi V nirary soa ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo fa indrindra ny eny amin’ny boriborytany fahadimy mba hahatratra ny taona vaovao 2017 sy hanao fety sambatra. Tsy hijanona hatreo izao asa fanasoavana vahoaka izao izay efa natomboky ny fafi V an-taonany maro. « Miaro sy manasoa vahoaka » no tanjon’ity fikambanana ity ary manantena ny rehetra “tsy mba hanao kely tsy mba mamindro”.
M.S