Fiainana tsy vitan’ny firarian-tsoa
Hisomebiseby eny Iavoloha anio ireo karazan’olona heverina sy mihevitena ho ambony eto amin’ny firenena. Anio tokoa mantsy no hanatanterahan’ny Filoham-pirenena ny kabary firarian-tsoa amin’izao taom-baovao izao. Tsy fantatra mazava tokoa hoe hiantefa amin’iza izy izany. Ho an’ny mpitondra Fanjakana ve? Sa ho an’ireo masoivoho vahiny? Sa ho an’ny vahoaka? Raha ho an’ireto farany mantsy dia tokony ny solontenan’ny malagasy isan-tanàna na raha be loatra izany dia isam-paritra no nasaina amin’ny lanonana be hatao anio. Tsy izay aloha no nitranga fa ireo olona sokajiana ho ambony no nasaina. Izany hoe tsy ho hita lisitra ny vahoaka madinika. Tsy mba fanaon’ny fitondram-panjakana nifandimby teto Madagasikara rahateo izany hiarahaba sy hirary soa mivantana ny vahoaka izany rehefa vanim-potoanan’ny taom-baovao toy izao. Saika mifantoka betsaka amin’ny fiantsoana ireo vahiny hiara-paly sy hisesika hatrany no mahamaika ny mpitondra. Matetika anefa ny kabary dia any amin’ny vahoaka no tena iantefany. Izany hoe amin’ny fampahalalam-baovao sy ny haino aman-jery ihany ny malagasy no manaraka ny lanonana.
Fa inona tokoa moa izany no tena zavatra hitranga anio eny Iavoloha ? Raha ny mahazatra dia hitanjozotra hifampidera fiara eny ireo mpanan-karena sy manam-pahefana eto amin’ny firenena. Inoana ihany koa fa hihaingo hiraratra sy hifampitaha lamaody amin’ny tena ambony karazana sy lafo vidy ireo andriambavilanitra nahazo fanasana hiaka-dapa. Ankoatra izany dia an-jatony tapitrisa ariary ny volam-panjakana holaniana amin’ny fikarakarana rehetra sy ny sakafo haroso ny vahiny. Farany ary tsy kely dia ny kabary hataon’ny Filoham-pirenena. Io fotoana io no hamariparitany ny mombamomba ny fomba hitantanany ny raharaham-pirenena amin’ity taona ity. Izany hoe hilaza ny laharam-pahamehana sy ny tetikasa izay ho tanterahina mandritra ny 2017 izy. Ambonin’izany toy ny mahazatra dia ny fotoana toy izao ny fanambarana ilay fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fampihenan-tsazy ho an’ireo voafonja. Rehefa tena dinihina izany dia karazan’ny fihetsiketsehana mahazatra ihany ity lanonam-be hatao eny Iavoloha ity fa tsy dia misy hampiavaka azy toy ny mahazatra. Ny tena andrasan’ny vahoaka anefa dia ny fanambarana avy amin’ny Filoha izay tena angatahan’ny maro hiteny fa hampidinina ao anatin’ny herinandro ny vidim-piainana, atsahatra anio ihany ny delestazy, tsy hisy intsony ny asan-dahalo manomboka ny herinandro ho avy io, ho maimaim-poana avokoa ny fitsaboana sy ny fanafody manerana an’i Madagasikara ary mialohan’ny faran’ny volana dia hisy asa mahavelona ho an’ireo rehetra tsy an’asa. Nofinofy sy rediredin’adala izany hoy ny maro an’isa ao amin’ny fitondram-panjakana nefa kosa zava-misy sy tena hetahetam-bahoaka. Koa raha tompon’andraikitra tsy hahavita hanatanteraka ny faniriana sy ny hetahetampon’ny vahoaka tsy aleo ve miala dia soloina olon-kafa fa mitavana ny tombontsoa ao anaty fitondrana fotsiny nefa tsy hita izay tena asa fampandrosoana teto amin’ny firenena?
Ho henon’ny rehetra eo izay kabary eny Iavoloha ka samy hitsakotsako izay tandrify azy ny rehetra. Ny azo antoka aloha dia ho sahirana ireo rehetra monina eny Atsimondrano mihazo an’Iavoloha iny satria hifanaretsaka ireo fiaran’ny manam-pahefana izay tsy maintsy mahazo ny laharam-pahamehana eny amin’ny arabe na dia misy aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ho zavontany ihany koa ny mpitandro filaminana manamorona ny lalana rehetra hihazo an’Iavoloha satria ireo manam-pahefana sy olona ambony no handalo eny ka tsy maintsy atao tsara ambina fa tsy toy ny vahoaka madinika izay afaka mifanaretsaka amin’ny mpanendaka sy ny adala eny an-dalana rehetra eny. Zava-misy sy fiainana eto Madagasikara izany ka izay minia mikipy mba tsy hahita sy manampin-tsofina mba tsy handre ihany no sahy milaza fa efa mandroso ity firenena ity.
Ravalo tsy Manana