Akon’ny taona 2016 tao Boeny – Omby miisa 7 720 no very, olona 126 voarohirohy
Taona anisan’ny nanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana iny 2016. Vao maika nitombo ny trangana famonoana olona, fanafihana mitam-piadiana, lozam-pifamoivoizana, fanakanan-dalana, vely « bois rond » sy ny maro hafa koa. Ny halatra omby no tena nisongadina, izay tena nanjaka mihitsy, indrindra fa tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Efa ho isan’andro dia misy hatrany ireo vaovao miresaka halatr’omby sy dahalo mivoaka amin’ireo gazety ary lasa toa fahazarana ny mamaky azy ireny. Ny tena mampalahelo amin’ilay toe-draharaha anefa dia tena misy ireo olona mihorohoro andro aman’alina ireo, izay tsy ho tsapan’ny mpamaky sy ny fitondram-panjakana tsy mahita maso azy. Hany ka tsy ataon’ity farany laharam-pahamehana ny fanafoanana, na ny fampihenana fotsiny ny asan-dahalo any Atsimo. Ny resaka kere etsy an-daniny izay tsy mbola voafehy, anefa dia anisan’ny fampanantenana nataon’ny Filoha, na ny fiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana, na ny tsy fahampian-tsakafo any atsimo. Fa tsy ny any atsimo ihany fa ny faritra andrefan’i Madagasikara ihany koa dia misedra izany olana izany. Asan-dahalo efa ho isan’andro no iainan’ny mponina. Omaly dia namoaka antotan’isa momba ny resaka halatr’omby ireo zandary tao Boeny nandritra iny taona lasa iny. Raha ny voalazan’izy ireo dia mafy ary nampitondra faisana ny faritra Boeny mihitsy ireo tsy mataho-tody ireo. Trangana fangalaran’omby 88 ary nahaverezana omby miisa 7 720 no voarain’ny zandary tamin’iny taona 2016 iny. Vokatry ny fiaraha-miasan’ireto farany amin’ny tompon’omby sy ny fokonolona dia tafaverina any ny omby 1025 amin’ireo. Olona 126 kosa no voarohirohy ho mpiray tsikombakomba, na mpanatanteraka ny halatra mihitsy ary ny 63 tamin’ireo no nampidirina am-ponja miandry ny andro hitsarana azy. Ny ambiny kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika. Nanambara kosa ireo zandary fa hohamafisina ny fanaraha-maso ny tanàna, indrindra ireo faritra be mpiompy omby ao an-toerana.
Ra Tax.