Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ambohitsoa – Notolorana fitaovam-pidiovana ireo renim-pianakaviana

Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana. Vaindohan-draharahan’ny tanora Hvm ny mitady izay fomba hanampiana ny mpiray tanindrazana amin’izany. Nosokafana nanomboka tany amin’ny boriboritany voalohany ny hetsika tamin’ity taona 2017 ity dia ny boriboritany faharoa indray no nanohizana izany omaly ka ny tao amin’ny fokontany Ambohitsoa indray no nisitraka izany fanomezana izany. Araka izany dia renim-pianakaviana maherin’ny dimampolo no nisitraka fitaovana entina manadio ( siny sy koveta). Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena tokoa ny renim-pianakaviana hoy ny filohan’ny tanora hvm Zoky Andry satria miantomboka ao amin’ny ankohonana ny fampandrosoana ny firenena ary ny renim-pianakaviana no anisan’ny mitarika ny ankohonana mba hadio, na ara-tsaina io na ara-batana. Misokatra ho an’ireo namana rehetra te handray anjara sy te hampandroso ny firenena ny tanora hvm, ary hisy hetsika lehibe hatao’izy ireo amin’ny faran’ny volana janoary izao.

Mamisolo

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre