CAES – Nampiditra tetika vaovao amin’ny fanomanana fanadinana
Tsy misy izay tsy mahalala ny lazan’ny Caes etsy Ambanidia, izay toeram-panomanana ireo izay hiatrika ny fifaninanana hidirana ho mpiasan-panjakana ny mponina eto Antananarivo sy ny manodinana ary ny faritra maro eto Madagasikara. Tsy mena-mitaha ny vokatra raha ampitahaina amin’ireo toerana hafa. Araka ny nambaran-dRamatoa Dietrich Lalaina, talen’ny Caes dia tsy latsaky ny 60% hatramin’ny 100% ny taha-pahafahana amin’izay fifaninanana rehetra ampanaovin’ny fanjakana. Noho izany, mbola tsy namitaka ireo mpiray tanindrazana ny tompon’andraikitry fa tsy maintsy mahita vokatra ireo izay tena miezaka sy manaraka ny toromarik’ireo mpanabe ao. Nohamafisiny hatrany fa mpampianatra efa matianina avokoa ireo mpiara-miasa amin’ity toeram-panomanana fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana ity raha tsy hilaza afa-tsy ny fiaraha-miasa amin’ny toeram-piofananana avy any ivelany. Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao hampiakarana ny taha-pahalalan’ny tanora Malagasy izy ireo ka miara-miasa akaiky amin’ny toeram-piofanana ambony any ivelany ka ny boky sy tahirin-kevitra maro dia avy any avokoa. Toy ny fanaovana famelabelaran-kevitra satria tsy misaraka amin’izay fifaninana mivoaka rehetra izy io. Tsapa ho mihena manko ny fari-pahalalan’ny zaza Malagasy amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao ka miezaka ny Caes mitady izay fomba hampiakarana izany. Araka izany, tsy misaraka amin’ny fanabeaznaa ihany koa ireo mpampianatra ao mba ho tena feno ny fananam-pahalalan’ireo izay afaka ka ho lasa tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, miaraka amin’ny teti-pampianarana manaraka ny toetr’andro. Ny 11 janoary 2017 izao àry dia manomana fanadinana ny Caes ho an’ireo izay afaka tamin’ny fitsapana voalohany hidirana ao amin’ny fadintseranana toy ny “agents, controleurs ary inspecteurs de douanes”. Eo ihany koa ny hidirana eny amin’ny Infa sy Enam.
Tahirisoa