Cnaps Amoron’i Mania – Resy lahatra ny mpiandraikitra amin’ny fitsinjovana ireo Ecd
Nikarakara fiofanana ho an’ny mpiandraikitra eny anivon’ny Faritra tao Amoron’i Mania ny teo anivon’ny Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (Cnaps) na Tahirim-pirenena. Araka ny fanao mahazatra dia naompana teo amin’ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpiasa Ecd ny fiofanana izay tena mbola maro eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana fanapariaham-pahefana sy eny amin’ny vondrom-bahoakam-paritra.
« Mampiasa Ecd maro izahay ato amin’ny Faritra. Noho ny olana samihafa dia ananan’ny Cnaps trosa miavosa izahay ato amin’ny Faritra. Nanao ezaka izahay mba ho afaka tanteraka izany ary ho tohizina ny ezaka ka haloa ara-potoana ny latsakemboka tokony haloha. Izany no nataonay dia ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpiasa Ecd” hoy Rakotomanankiafarana Joël, tompon’andraikitra eo anivon’ny Faritra Amoron’i Mania. “Nataonay ezaka izany satria fantatra fa miova ny satan’ny mpiasa iray eo amin’ny fiainany maha mpiasa azy. Mety hijanona Ecd tokoa izy kanefa mety ho lasa mpiasam-panjakana koa ary mety hiova asa mihitsy aza” hoy ity tompon’andraikitra ity nanazava ny nahatonga azy ireo ho resy lahatra. “Rehefa niresaka tamin’ny mpiasan’ny Cnaps izahay dia nahafantatra fa ny fandrotsahana ny latsakemboky ny mpisasa iray dia miteraka zo ary mitohy izany zo izany na miova aza ny satan’io mpiasa io any aoriana any. Tsy tianay hahazo olana ny mpiasa iray indrindra rehefa any akaikin’ny fotoana hisotroany ronono” hoy izy nanohy. Notsindriany fa manokana vola misimisy ny Faritra handoavana ny latsakemboky ny mpiasa haloa any amin’ny Cnaps ao aminy.
Tsapa araka izany fa resy lahatra ry zareo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania manefa ny anjara latsakemboka any amin’ny Cnaps. Tsy mitsahatra eo anefa ny ezaka ataon’izy ireo. Ny hampanjaka ny teny faneva manao hoe : “ Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra, andraikitry ny rehetra” no manentana ny Tahirim-pirenena manatontosa ny fiofanana eny amin’ireo Faritra 22 manerana ny Nosy.
Nangon’i Safidy A.