Ikopa – Nahitana bibilava mirefy 1m30
Raha ny alahady teo no nanomboka azo nandehanana tongotra eny ampovoan’ny ranon’Ikopa noho ny faharitran’ny rano dia nisehoana zavatra hafahafa teny an-toerana omaly maraina tokony ho tamin’ny 9ora maraina teo ho eo satria dia bibilava goavana mirefy eo amin’ny 1m30 eo no hitan’ny mponina teny an-toerana, taitra ny maro ary nitangorona raha nahita ity biby ity. Tsy mazava marina moa hoe inona ny anaran’ity bibilava ity fa toa maramara be ilay izy ary mampatahotra na ny mijery azy aza. Tsy nisy sahy nanatona teny akaiky ny olona fa sao dia ireny antsoina hoe biby manan-tompo ireny ilay izy na fanahy hafa miseho, indrindra fa faharitrana tsy fahita eny amin’ny ranon’Ikopa izao, izay mbola tsy nisy hatramin’izay hoy ireo olona sasany teny an-toerana. Rehefa tena nitangorona ary ny olona teny akaikin’ny Tetezan’Ampasika iny dia niala ilay bibilava nisitrika any anaty vato ka tsy nipoitra intsony. Manontany tena araka izany ny mponina eny amin’iny faritra andalovan’Ikopa iny fa hoe inona loatra no zava-mitranga ? Nisy nanapoizina ve Ikopa ka isehoan’ny zavatra hafahafa tahaka izao ? Sa noho ny faharitran’ny rano dia mivoaka ireo karazam-biby miaina anaty rano na dia tsy fahita eto ampovoantany aza ity karazam-bibilava niseho ity ?
Mamisolo