Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Faritra Boeny – Havaozina avokoa ireo biraon’ny Cisco

Manan-danja lehibe eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana ny fanajariana ny fotodrafitrasa. Mitana anjara asa goavana sady fototry ny fampandrosoana ny firenena manko ireo sehatra roa ireo ka tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy. Noho izany, tokony hatao vaindohan-draharaham-panjakana ny fampitaovana, fanatsarana ary fananganana fotodrafitrasa. Manoloana izany indrindra ary dia hadiana fanavaoezana acoi,joa ireo biraon’ny  Cisco any amin’ny faritra Boeny. Nozaraina andiany efatra izany fanajariana izany mba samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra araka izay efa nampanantenaina. Natomboka tamin’ny 10 desambra 2016 ny an’ny Cisco Mahajanga I sy II ary Mitsinjo sy Soalala. Araka ny loharanom-baovao dia vinavinaina ho vita ao anatin’ny enim-bolana ny asa. Marihina fa famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa “Passoba Education” no nahafahana nanamboatra ireo fotodrafitrasa ireo ho an’ny Dren Boeny. Mbola hahazo ny anjarany ihany koa ny fari-piadidiam-pampianarana Marovoay sy Ambato-Boeny saingy mbola miandry ny fahavitan’ny fifanarahan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Vondrona Eropeanina ho an’izay orinasa nahazo ny tolotra. Araka izany, nafindra vonjimaika eny amin’ny Epp Mahabibo ny biraon’ny Cisco Mahajanga i mandritra ny asa fanamboarana atao hoy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Samuel Christophe. Na eo aza izany fijerena akaiky ny fotodrafitrasa izany, tokony mba hatao vaindohan-draharaha ihany koa ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara satria lasa tontolo ho an’ny tsy mahita asa sisa ny fanabeazana sy fampianarana. Io ihany koa no fototra mampihena ny fari-pahalalan’ny mpianatra amin’izao vanim-potoana izao satria na ireo heverina ho mpampita fahalalana aza tsy mikaroka zava-baovao ho an’ny mpianatra fa mandika izay vitan’ny teo aloha fotsiny.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre