Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Nifanenjehana ilay tuc-tuc nangalatra 1000Ar

Tranga mampiomehy raha dinihina anefa dia saika niteraka korontana tao amin’ny tanànan’ny Toamasina ity nitranga omaly antoandro ity. Teo akaikin’ny Leader Pneu tao Morafeno no niseho ny tantara. Raha ny vaovao azo dia volan’ny lehilahy iray teo am-pandoavana saran-dalana tamin’ny mpamily bajaj no notsofin’ny rivotra ka latsaka ny 1 000 Ariary. Rehefa handeha hidina haka ilay vola anefa izy dia efa ilay mpamily nitondra ny laharana 23… Ag iray no nidina naka azy ary nitsoaka avy hatrany. Nandeha mafy ity farany ary narahan’izy ireo avy hatrany ka tratra teo amin’ny fiolahana teo Tanamakoa. Ny nahasosotro ny olona anefa dia ilay rangahy naka ny vola indray no be vava ary saika tsy hamerina mihitsy. Nilaza izy tamin’izany fa vola hitany teo amin’ny tany no nalainy. Fomba nentiny nilazana fa tsy nangalatra velively izy fa nahita nefa dia fantatra izao fa hitany ny nahalatsahan’ilay vola teny ampela-tanan’ilay rangahy tompom-bola. Nitangorona noho ny fifamaliana ny olona ary efa saika hikasi-tanana azy mihitsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka aza izy raha tsy nalaky niala teo amin’ilay toerana nahatratrarana azy. Marihina fa nandritra ny fotoana nitsoahany izay nandehanany mafy tokoa dia saika nandona olona maro izy. Mafy tokoa ve ny fiainana sa ilay olona mihitsy no tia hetraketraka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre