Sambava – Nipotsaka ny ila-mason’ilay zaza
Matetika dia zavatra tsy ampoizina no mahatonga loza be izay tsy eritreretin’ny saina ho tonga amin’ny tena akory. Tsy fitandremana indraindray anefa araka ny fitenenana hoe ny loza dia toy ny mpangalatra ka tsy mampilaza rehefa hoavy. Toy ity nitranga tao Andranomadio, kaominina Anjanoveratra ao Sambava ity, ohatra, izao dia tena mampalahelo tokoa satria maso voadifika no mety hanimba tanteraka ny fiainany. Raha ny vaovao azo dia nipitihan-javatra no niatombohan’ny areti-mason’ilay zazalahy antsoina hoe Stephan efa ho dimy taona lasa izay. Taorian’izay anefa dia tsy nitsaha-nitombo ny fivotosana teo amin’ny masony ka nanomboka nipotsaka tsikelikely izany. Ny niafarany aza moa dia tsy maintsy nodidiana tany amin’ny hopitaly ilay maso tamin’ny volana martsa 2016 ka nihena izy tamin’izany. Tsy naharitra anefa fa niverina ny fivontosana rehefa afaka iray volana. Rehefa nitombo ny aretina dia tsy maintsy nentina taty Antananarivo ilay zaza natao fandidiana fanindroany ny volana jona lasa teo ka nandaniana hatramin’ny 4 000 000 Ariary. Nisy nahatsara azy ihany koa io fitsaboana io saingy herinandro talohan’ny taom-baovao 2017 dia niseho indray ny aretina ary vao mainka niha henjana ny fipotrany. Very hevitra noho izany ny ray aman-drenin’ilay amin’ny manjo ity zanany. Rehefa tonga tao Sambava izy ireo dia novangian’ny solombavam-bahoaka Zoky Vonjy izay tsy nijery fotsiny ny aretin’ilay zazalahy. Nilaza ireto farany fa hanampy amin’ny fitsaboana ilay zaza. Nanambara ihany koa izy fa raha sanatria tsy vita eto an-toerana ny fandidiana rehetra dia mbola tsy hitarain-tana-miepaka ny amin’ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana izy ary vonona hatrany ny hanampy.
Ra Tax.