Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Manambonitra – Brickaville – Nataon’ny zandary haza lambo ireo jiolahy

Anisan’ny lasibatr’ireo jiolahy mpanakan-dalana matetika iny lalam-pirenena faharoa iny. Be lozam-pifamoivoizana sady miha mahazo vahana hatrany ireo mpanao ratsy indrindra fa amin’izao faharatsian’ny lalana vokatry ny firotsahan’ny orana izao ka mahatonga faharatsian’ny lalana ihany. Maro ihany koa ireo efa very entana satria dia mianinka fiara mihitsy ireo jiolahy ary maka ny entana rehetra. Voatery nametraka paikady entina miady amin’izany tsy fandriam-pahalemana izany ny zandary. Nahomby izany ny alin’ny alarodia lasa teo. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo dia jiolahy roa anisan’ireo mpanakan-dalana ikoizana no nataon’ny mpitandro filaminana sambo-belona tao amin’ny fokontany Manambonitra, kaominina Antsampananana distrikan’i Brickaville. Mbola teo ampanaovana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo no saron’ny zandary ka nifanenjehana. Tamin’ny nahatratrarana azy ireto dia mbola tratra teny aminy ny basy poleta. Notazomina ao amin’ny biraon’ny zandary ao Brickaville ireo olon-dratsy ary tsy maintsy mbola hoentina ao Toamasina, eo anivon’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena anaovana fanadihadihana. Voalaza mantsy fa tsy izy roa lahy ireo no mpanao io asa ratsy io fa misy namana maro izy ireo. Tsy maintsy ho fantatra noho izany ireo namany sy ireo olona mpamatsy ny basy entin’izy ireo manafika fiara.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre