Salon des étudiants – Sampam-pianarana miisa 7 no atolotry ny Gsi
Nisokatra omaly ary hitohy anio ilay hetsika salon des étudiants andiany fahafolo ho an’ny fidirana ny volana janoary etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena etsy Mahamasina, ity hetsika ity moa dia natokana ho an’ireo mpianatra tara fidirana ny volana septambra, ary ity volana janoary ity no fotoana farany hanaovana ny fisoratana anarana sy hidirana hianatra ho an’ny taom-pianarana 2016-2017, maro ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity satria dia oniversite tsy miankina miisa 25 no mandray anjara , ary ahitana sampam-pianarana maherin’ny 5O eo ho eo. Anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity ny toeram-pianarna ambony Gsi, izay efa mpandray anjara isaka ny hetsika tahaka izao. Manana tolotra manokana sady manana ny mampiavaka azy raha mitaha amin’ireo mpandray anjara rehetra izy io satria dia izy ireo no namorona ny sampam-pampianarana « multimédia et communication » teto Madagasikara izay efa nisy nandritra ny 15 taona. Tsy io sampam-pampianarana io ihany anefa no manavanana ny onivesite gsi fa miisa 7 ny azo isafidianana ao, toy ny “Informatique de gestion”, “management des affaires”, “genie et management du Btp”, “Tourisme et voyage”, “Paramed”, “droit et relation international”. Mpianatra maro no efa nivoaka tao amin’y oniversite Gsi ary efa am-perinasa avokoa izy ireo. Marihina fa mpitsidika maherin’ny 2000 eo no andrasana amin’ity hetsika ity ary tsy misy ny vidim-pidirana.
S.M