Oniversite Mahajanga – Mpangalatra dokotra, niharan’ny fitsaram-bahoaka
Efa mamofompofona rà, araka ny fitenenana ny malagasy amin’izao fotoana izao ka tsy miantehitra fitsarana izany intsony fa avy hatrany dia mamono izay rehetra manembatsembana ny filaminany. Ireo mpitandro filaminana sy ny fitsarana mahefa rahateo efa tsy atokisan’ny olona intsony hany ka vao mainka mahazo vahana hatrany eto amin’ny tany sy ny firenena ny fitsaram-bahoaka. Vao manomboka mantsy ny taona dia fitsaram-bahoaka efa tsy latsaky ny dimy sahady no efa niseho, ankoatra ireo voafehin’ny mpitandro filaminana. Vao omaly izao tao Mahajanga no nisehoana fitsaram-bahoaka indray. Lehilahy efa mahazohazo taona no niharan’ny hatezeran’ny mpianatra sy ny olon-tsotra teny amin’ny faritry ny Oniversiten’Ambondrona ka maty tsy tra-drano. Raha ny vaovao azo dia voalaza ity rangahy ity fa nangalatra dokotra miisa roa sy vilany tsy misarona iray. Raha ny voambara dia tao amin’ny tranon’ny mpianatra iray ity lehilahy ity no nangalatra. Tsy nahita fitaovana sarobidy na entana tsara hoalaina anefa izy ka izay sendra ny masony no nalainy dia lasa izy nitsoaka. Vilany iray sy dokotra miisa roa noho izany no nentiny. Ny tsy nampoiziny anefa dia henon’ny tompon-trano ny zavatra nataony ka avy hatrany dia niantsoantso vonjy ireto farany. Nitsoaka anefa tsy afaka nandeha lavitra ity mpangalatra izay mbola nivingitra ireo entana nangalariny. Tratran’ny olona teo ampovoan-tànana noho izany izy ka avy dia nandeha ny daroka sy ny karazany. Samy nandray anjara nidaroka ny iray tanàna ary tsy vitsy tamin’izy ireo no nandray biriky sy hazo nikasihan-tanana azy. Vaky tamin’izany ny lohan’ilay rangahy. Ity farany izay nofatoran’izy ireo ny tongony sy ny tanany, mba tsy hahafahany mitsoaka intsony. Maty vokatry ny daroka ilay rangahy, ary mbola tratra teo an-toerana ireo dokotra sy vilany nangalariny. Fotoana vitsy taty aoriana vao tonga ny mpitandro filaminana sy ny polisy siantifika ary teknikan’ny Oniversite. Teo amin’ny toerana nahafatesan’ity rangahy moa dia nasian’ny olona soratra hoe “joby avy nigadra” na hoe lehilahy efa nigadra. Misokatra ny fanadihadiana.
Ra Tax.