Herinandro fotsy !
Mazava ny baikon’ny filoham-pirenena tamin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eo anivon’ny governemanta izany na ny fiadidiana ny Repoblika ary indrindra ireo sampan-draharaham-panjakana tsy ankanavaka. Mila ampitomboina avo roa heny ny fomba fiasa mba hampakarana ny vokatra sy hanafainganana ny asa fampandrosoana hoy ny filoham-pirenena. Tsy toy izany anefa ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity fa toa mitaredretra avokoa ireo tompon’andraikitra rehetra. Tsy nisy asa natomboka na novitaina mihitsy tamin’ity herinandro ity fa toa samy variana mihainohaino any amin’ny biraony any avokoa ireo tompon’andraikitra ambony. Tsy fantatra intsony izay tena zava-misy marina ao anaty fitondrana ao fa dia samy mangingina any amin’ny misy azy any ny rehetra. Raha ny fantatra aloha dia efa tsy fotoanan’ny fialantsasatra intsony izao ary raha ny tokony ho izy aza dia efa miandry ny fomba fampiasana ilay famatsiam-bola sy fampiasam-bola mitentina 10 miliara dolara azo tany Parisy farany teo iny ny vahoaka. Tsy mihetsika anefa ny mpitondra fanjakana ary mangina tsy handrenesam-pitenenana.
Ity herinandro ity anefa dia betsaka zava-nitranga ary tena nanahirana ny fiainam-bahoaka mihitsy. Anisan’izany ny delestazy tsy hay hitondrana vahaolana fa ny eo ihany no eo. Fanambarana madinidinika sisa no misy mahakasika ny delestazy nefa toa tsy mahavaha olana akory ireny. Ny eo ihany no eo ary toa tsy mandaitra ilay baikon’ny filoha hoe mila ampitomboina avo roa heny ny fomba fiasa. Raha tena miasa ny tompon’andraikitra dia voavaha vetivety io delestazy io saingy toa miraviravy tanana ny manam-pahefana ary mianona fotsiny amin’ny hoe hitady vahaolana lavitra ezaka ary ihany koa ny filazana hoe ny 15%-n’ny vahoaka Malagasy ihany no mahazo tombony amin’ny fanampian’ny fanjakana ny Jirama.
Betsaka mihitsy anefa ny tranga tena ilan’ny vahoaka ny fandraisan’andraikitry ny minisitra sy ny tompon’andraiki-panjakana hafa. Na io fiakaran’ny vidim-piainana io aza dia tena tokony hisy tompon’andraikitra ambony hidina hijery mivantana ny tena antony mahatonga izany mihitsy satria toa efa miharo fanararaotana ny fijery azy. Ireny horohorontany afak’omaly ireny, na tsy nahafaty olona aza tokony mba nisy ny fanambaran’ny tompon’andraikitra ambony fa tsy nankinina tamin’ny teknisianina fotsiny ny raharaha. Ny fampianarana ihany koa izay nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fidirana amin’ny telovolana faharoa dia nangingina tsy nisy resaka.
Izao fahanginan’ny mpitondra Fanjakana izao dia toa manamarina ihany ny fisian’ny tsy fifankazahoan-kevitra ao anatin’ny fitondram-panjakana ao. Toa miahiahy sy tsy milamin-tsaina ireo manam-pahefana satria raha tena mitombona tokoa ny mety hisian’ny fanovana governemanta dia olona an’arivony maro indray no tsy maintsy hosoloina ao anaty fitondrana ao.
Asa indray izay zavatra hitranga amin’iny herinandro iny fa raha mitohy izao fahalainan’ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny izao dia vao mainka hihamafy ny fahantrana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Delestazy, halafosan’ny vidim-piainana, tsy fandriam-pahalemana, lozam-pifamoivoizana, fiakaran’ny vidin-tsolika, fiakaran’ny saran-dalana, haintany, horohorontany, tondra-drano any atsimo, fanondranana andramena, …lavabe ny lisitry ny raharaha tsy manjary amin’izao fiandohan’ny taona izao nefa ilaozan’ny governemanta mipirimpirina any anaty birao any fotsiny. Sao mba efa fantatr’izy ireo kosa ary hoe ho very seza tsy ho ela ry zareo ka aleony mandamindamina ny fangoronan’entana sy mandiodio izay tsy nety natao mba tsy hisian’ny arakaraka rehefa avy eo?
Ravalo tsy Manana