Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Brickaville – Trano 52 tafo levon’ny afo

Haintany, haintrano, horohorontany, fitsaram-bahoaka, fanafihan-dahalo sy jiolahy…. Tsy misy fotoana izay tsy aharenesana ny iray amin’ireo tranga ireo ao anatin’ny iray volana mba tsy hilazana hoe herinandro na isan’andro eto Madagasikara. Tena fiainana anaty olana ny fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny. Tsy mba misy vaovao tsara sy mitondra filaminan-tsaina fa dia tebiteby sy fitaintainana lava no heno etsy sy eroa. Ny harem-pirenena anjakan’ny vahiny.  Ny fananana izay nohariana tao anatin’ny taona maro levon’ny afo ao anatin’ny indray mipi-maso noho ny haintrano tsy am-poizina. Mijaly ny vahoaka malagasy. Tamin’ny 10 janoary 2017 tamin’ny mitatao vovonana dia  trano 52 tafo no levon’ny afo tany Mangaoka, ao amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitry Ranomafana atsinanana, distrikan’i Brickaville. Vokany, olona 86 no traboina sy tsy manan-kialofana. Tombanana hatrany amin’ny 2,4 tapitrisa ariary ny tetibidin’ny entana may. Mbola tsy fantatra kosa izay niatombohan’ny afo. Efa nidina ifotony ny zandary  any an-toerana nijery ny zava-nitranga. Mandeha ny fikarohana izay nahavaona.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre