Toamasina – Nozaraina tafo sy fantsika ireo rava trano
Taorian’ny haintrano izay naharavana trano maherin’ny 25 teo ho eo ny 05 janoary lasa teo tao amin’ny tsenan’i Valpinson tao Toamasina dia tsy nijery fotsiny ireo traboina ny vadin’ny Ben’ny tanàna ambonivohitry Toamasina Juliana Ratsiraka fa tonga nitondra fanampiana tany an-toerana, ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy, ka nizara fanomezana. Tsy mba vary na menaka, na siramamy tahaka ny fahita amin’ny fanomezana ataon’ny olona sasany rehefa misy loza tahaka ireny anefa no natolony fa tafo miisa 50 sy fantsika 20 kilao. Natao izao mba hahafahan’ireo rava trano manangana indray ny tsenany ka afaka hanohy indray ny asa fivelomany izy ireo. Raha tsiahivina mantsy dia efa nanolotra tafo 40 tahaka izao ny vadin’ny Ben’ny tanàna tamin’ny taon-dasa raha nikarakara hetsika fifaninanana « Tsenamadio ». Tamin’ny faran’ny lahateny nataony dia tsy hadinony ny nanentana ireo mponina mba tsy hampiasa ravinala na ravina hafa hatao trano fivarotana. Fitaovana tsy mora mirehitra hoy izy no tokony hampiasaina mba hiarovana ny aina sy ny fananana amin’ny loza tahaka izao sy mba ho fiarovana ny tontolo iainana ihany koa.
S.M