Can 2017 – Handeha mivantana amin’ny Tvm
Afaka amin’ny tebiteby ireo mpankafy baolina kitra malagasy. Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena , Tvm ny lalao 32 fiadiana ny amboara iraisam-pirenana aty Afrika ny Baolina Kitra na ny Can 2017. Isan’izany ny lalao fanokafana izay hihaonan’i Gabon mpampian-trano sy Guinée Bissau anio hariva amin’ny 8 ora alina eto Madagasikara ka hatramin’ny famaranana ny 5 febroary. Ho an’ny lalao amin’ny andro fahatelo kosa dia malalaka ny safidy ho an’ireo firenena izay tsy manana ekipa milalao amin’ireo fihaonana mifanindry. Ho afapo tanteraka izany ny Malagasy mandritra ny roa taona amin’ireo lalao afrikana rehetra izay karakarain’ny kaonfederasiona afrikana ny taranja baolina kitra (Caf).
Fifaninana efa mihoatra ny 11 izany raha tsy hilaza afa-tsy ireo tena goavana toy ny amboaran’ny Afrika na ny Can, ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika na ny Chan, ny Ligues des Champions Caf, ny amboaran’ny kaonfederasiona, ny fiadiana ny fifaninanana afrikana ny baolina eny ambony tora-pasika, izay andraisain’ny ekipa malagasy anjara. Eo ihany koa ireo lalao goavana izay raisin’ny Caf ny ampahany amin’ny lalao fifanintsanana toy ny lalao Afrikana, ny lalao olympika ary koa ny fifaninanana eran-tany. Nambaran’i tale jeneralin’ny Ortm, Ravaojanahary Johary omaly, fa « efa voaloa ny vola mitentina 300 000 Euros saran’izany mandritra ny roa taona ». Amin’ity taona ity ihany koa dia handeha mivantana eo amin’ny Tvm ny lalao savaranonandon’ny Can 2019 izay hihaonan’i Barea sy Sao Tomé ny 20 sy 28 marsa. Izay tafiakatra amin’izany no ho tafita ao amin’ny vondrona A misy an’i Sénégal, Guinée Equatoriale ary Soudan. Inoana tokoa fa samy hahazo fahafaham-po tandrify azy ny tsirairay.
Safidy Andrianina