Seminera zandriny Ambohipo – Nifarana ny fankalazana ny faha-95 taona
Nofaranana omaly ny fankalazana ny jobily faha-95 taona niorenan’ity toeram-piofanana ho pretra ity. Raha vao tapa-kevitra hiomana ho pretra ny tanora lehilahy iray dia ao izy no raisina sy ofanina ary manohy fianarana raha mbola tsy nahazo ny mari-pahaizana Bepc sy bakalorea. Hentitra ireo pretra sy ny mpanabe amin’ny fampiofanana ireo tanora satria mila fahaizana ny fitondrana olona fa tsy fahafehezana ny dingana ho pretra fotsiny ihany. Nambaran’ny pretra tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fandraisam-pitenenana fa 100% ny voka-panadinana bakalorea tamin’ny taon-dasa. Manaraka izany, Sorona Masina lehibe no netina nanamarihana izao fety lehibe izao. Taorian’izany dia nisy ny fanokanana ny tsangam-bato lehibe nanamarihana izao fankalazana izao dia ny fahavitan’ny trano lehibe honenan’ny mpanabe sy ny seminarista. Nanatanteraka izany ny raiamandreny arseveka Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny solontenam-panjakana notarihin’Andriamatoa minisitra Rivo Rakotovao. Nofaranana tamin’ny lalao baolina kitra ny fankalazana , izay nifanandrinan’ny pretra sy ireo seminarista ka nibatan’ity farany ny amboara.
Farah