Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Tsy mazava ny fifandraisana

Nahagaga ny tsy nandehanan’ny Filoha hanatrika ny fihaonana an-tampon’i Frantsa sy Afrika tamin’iny faran’ny herinandro iny fa ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no nalefany tany. Zava-dehibe ho an’i Frantsa sy Afrika, indrindra ho an’ireo filoham-pirenena  iny fihaonana iny satria fotoana farany nifanaovam-beloma tamin’ny filoha frantsay François Hollande izay tsy hirotsaka hofidiana intsony. Nahagaga anefa fa tsy nandeha tany ny Filoha malagasy na dia akaiky aza i Afrika no tsy nisy zava-dehibe tsy maintsy nijanonany teto Madagasikara. Raha ny fijery azy dia mety misy tsy fifankazahoana eo amin’ny filoha frantsay sy ny filoha malagasy. Hita niharihary izany tamin’ny fitsidihana an-tselika nataon’i François Hollande teto amintsika satria toa tsy mba nitsidika an’Iavoloha sy Ambohitsorohitra akory ny tenany. Ireo filoha frantsay hafa efa nandalo teto anefa tena sady nitsidika ireo filoha malagasy tamin’izany fotoana izany no ihany koa nirotsaka ifotony nifanosona ara-bakiteny tamin’ny vahoaka malagasy mihitsy.

Raha ny zava-misy hita maso no dinihina dia toa tsy tian’ny filoha frantsay ny filoha malagasy. Ity farany anefa dia tena nanao izay rehetra azony natao mihitsy mba hanatsarana ny fifandraisana sy ny fihavanana eo amin’ny firenena roa tonta. Porofon’izany, ohatra, ny tsy fahasahian’ny Fanjakana mitaky amin’ny frantsay i reo nosy éparses izay an’i Madagasikara ara-dalàna sy ara-drariny. Eo ihany koa ireny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ireny na dia tsy nankasitrahan’ny ankamaroan’ny vahoaka aza.

Raha ny fijery azy dia karazan’ny mpanao andolom-po ny frantsay ary tsy mankasitraka ity fitondrana mijoro ity noho ny antony maromaro. Anisan’ny nanaratsy endrika ny fifandraisana teo amin’ny firenena roa tonta ny fandroahana an-kolaka ilay ambasadaoro frantsy teo aloha satria sahy niteny ny tsy mety ataon’ny Fanjakana. Toy izany ihany koa ny fanaovana toetran-tsy zaka ho an’ilay tale jeneralin’ny orinasa Orange teo aloha noho ny hevitra tsy mitovy. Mbola manampy trotraka ireny ny tsy fandriam-pahalemana sy herisetra mianjady amin’ny teratany frantsay monina sy mandalo eto Madagasikara. Betsaka ihany izay vazaha frantsay maty nisy namono teto izay hatramin’ny nijoroan’io fitondrana io. Farany, tena tsy levon’ny vavonin’i Lafrantsa mihitsy ny fanomezana vahana ny vahiny hafa honina sy hitsentsitra ary hanjakazaka eto Madagasikara. Voalohany amin’izany ny sinoa izay nahazo laka tanteraka hatramin’ny taona 2014 ary tsy hay tohaina intsony ny fielezany eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fihatsaran’ny fifandraisan’ny mpitondra malagasy amin’ny firenen-kafa toy ny amerikanina, ny anglisy, ny afrikanina, ary indrindra ny tiorka. Saro-piaro amin’ny tany efa nozanahiny sady mbola tsetsefiny ny frantsay fa mahatezitra azy ireo ny fanomezan-danja ny vahiny hafa hiara-hitavana aminy ny haren’i Madagasikara. Santionany amin’ny antony mety manaratsy ny fifandraisana eo amin’i  Filoha Rajaonarimampianina sy Hollande ireo nefa rehefa tena zohina dia tsy avy amin’i Madagasikara loatra ny olana. I Madagasikara anie tsy mitsentsitra sy mitavana ny harena ara-voajanaharin’i Frantsa e ! Ny Malagasy ihany koa tsy nangalatra nosy frantsay any amin’ny fari-dranomasina frantsay. Ambonin’izany dia tsy manilikilika frantsay na iray aza mangataka fahazoan-dalana ho aty Madagasikara ny Malagasy. Koa raha mila kisa amin’ny resaka fifandraisan’ny firenena roa tonta ny frantsay maninona raha tena manan-kambo raha tapahana mihitsy ny fifandraisana. Tsy maty antoka izany i Madagsaikara raha misaraka amin’i Frantsa satria tsy ry zareo no mamelona ny Malagasy. Tsy misy harena trandrahin’ny Malagasy rahateo any frantsa ka hoe ho very fihinanana raha tsy miaraka aminy. I Frantsa no miankin-doha amin’i Madagasikara sy ny afrikanina ary tsy afaka miroborobo raha tsy ny harena avy aty no ataony tantely afa-drakotra.

 

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre