Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Marovoay – Jiro sy rano tapaka, mandrahona hitokona ny mponina

Tsy eto Antananarivo irery no mijaly amin’ny jiro sy rano fa saika manerana ny Nosy. Eo aloha ny tsy fiavian’ny orana ka ritra ireo renirano lehibe amokarana herinaratra. Eo koa ny olana eo anivon’ny jiro sy rano efa misy hatramin’izay, izay tsy ahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana. Misedra izany indrindra ny mponina any Marovoay ankehitriny ka mikasa ny hiroso amin’ny fitokonana. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia efa ho herinandro izay no tapaka ny jiro sy rano ao an-tampon-tanàna. Mitondra fahasahiranana goavana amin’ny filana andavanandron’ny mponina izany satria voatery mividy rano amin’ireo olona izay manana vovo ny sasany, izay mahatratra 100Ariary ny iray siny. Tsy maharaka ihany anefa satria ireo vovo vitsivitsy no mamatsy ny mponina rehetra ao an-tanàna sady maloto rehefa akana elaela. Eo anatrehan’izany,  manomboka miakatra ny feo amin’ny firosoana hanao fitokonana. Na eo aza anefa izany fahatapahan’ny jiro sy rano izany, manamafy ny olana efa misy ny fanimbana ny fotodrafitrasa ka mila mitandrina ny rehetra amin’ireny fananana iombonana ireny manolona ny tendrom-po tsy mba namana.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre