Tangalamena ao Mahanoro – Niarahaba azy ireo nahatratra ny taona ny Ben’ny tanàn’i Toamasina
Tontosa ny sabotsy 14 janoary lasa teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina mivady sy ireo Tangalamena tao antampon-tanànan’i Mahanoro, tanàna niavin’ny Ben’ny tanàna Elyse Ratsiraka. Fifampiarahabana, firariantsoa, fifampitsofandrano no natao. Nisy koa ny fifampizarana nofon-kena mitam-pihavanana. Natao izao hoy ity olom-panjakana ity mba ho fanomezam-boninahitra ireo raiamandreny nipoirana. Ny Tangalamena izay mitana andraikitra mankadiry eo amin’ny fandaminana ny fiarahamonina eny ifotony. Tamin’io fotoana io ihany koa no nitondran’izy ireo ny alahelony ary nilazany fa tsy misy hajany intsony izy ireo amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiarahamonina. Tsy henoin-teny intsony ary natao ho fahazahoan-tseza sy toerana fotsiny ihany sisa. Nambaran’ny solontenan’izy ireo àry fa noho ny fanaovana tsinontsinona azy ireo no mahatonga ny fiarahamonina miha mikorontana ankehitriny. Manjaka ny halatra sy ny fifanambakana eny anivon’ny fiarahamonina ; misara-bazana ny fianakaviana, ny mpiara-monina ary ny mpiray firenena ; mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa tsy maintsy ny famerenana ny toerana maha izy azy ireo no mamerina ny fanajariana ifotony indray ny fiarahamonina. Raisin’izy ireo ho zava-dehibe kosa anefa ny dingana goavana izao fanomezam-boninahitra nataon’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy ny vadiny azy ireo izao, ary tokony horaisin’ny fitondram-panjakana ho fitaratra. Nandritra izao fitsidihana izao ihany koa no nahitana zazalahy kely vao valo taona monja manana fahasaponana eo amin’ny masony izay kamboty ray sy reny ary narian’ny fianakaviany. Mila fitsaboana maika izy ka noraisin’nizy mivady an-tanana ny fitsaboana azy.
S.M