Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Nidiran-doza ny firenena

Nampanantenaina fanovàna nefa toa vao mainka nihemotra. Io no zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ny vahoaka no nihevitra fa raha hiala amin’ny tetezamita dia hahita masoandro mihiratra amin’izay kinanjo vao mainka namoan-tsampona ny zava-niseho satria mihalatsaka an-davaka andro aman’alina ny firenena. Tsy mitsaha-misondrotra ny vidim-piainana ary mihasarotra ny fivelomana nefa toa tsy hita izay ataon’ny mpitondra ankoatra ny kabary sy fikarakarana atrikasa ary famoahana didy aman-dalàna samihafa.  Miteny ny mpitondra fa miasa sy afa-po amin’ny zava-bitany. Tsy hisy hiady hevitra amin’izany rehefa heveriny ho ampy sy vitany saingy kosa tsy azo hadinoina fa tsy mitovy fijery ny manam-pahefana sy ny vahoaka. Ireto farany mantsy dia miandry ny hanatsarana ny fiainany toy ny fampidinana ny vidin’entana, ny fanamoràna ny fahazoana mitsabo tena, ny fanomezana azy ireo asa mahavelona ary ny fametrahana ny fandriam-pahalemana.

Tsy anjaran’ny Fanjakana ny mamorona asa ho an’ny vahoaka fa ny manamora izany amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina no anjarany. Marina izany satria tsy diso nefa kosa tsy hita taratra any amin’ny fiainam-bahoaka ny fahavononan’ny Fanjakana hanamora ny famoronana asa eto Madagasikara. Ny orinasa malagasy efa mijoro sy mandeha tsara ary mampiasa olona maro. Betsaka no azon’ny fingampingana sy ny filan-kiza isan-tsokajiny ka ahiana ho tsy tafarina.  Ny fandriam-pahalemana ihany koa mba manao izay ho afany ihany ny polisy sy zandary ary hita amin’ny tatitra ny vokatra azon’izy ireo saingy tsy ampy izany. Ny toe-tsain’ny fiarahamonina mihitsy no efa simba ary raha ny zava-misy no jerena dia efa tsy vitan’ny fisamborana sy fanasaziana intsony ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Efa tena taratry ny fahantrana ny firongatry ny halatra sy vonoan’olona ary ny herisetra isan-karazany koa any amin’ny lafiny fanatsarana ny ara-toekarena angamba no fomba hahafahana miady amin’izany.

Raha manana asa mahavelona mantsy ny olona rehetra feno taona dia tsy handany andro hangalatra sy hifamono satria mila mifantoka kokoa amin’ny asany. Rehefa tena jerena ny antontan’isa dia olona tsy an’asa ary azo ambara fa sahirana amin’ny asa fivelomana ny ankamaroan’ireo voarohirohy tamin’ny halatra sy vono olona. Ny olona miasa rehefa manana fotoana kely dia mandeha miala voly na miala sasatra fa tsy handany ny fotonany hifamono sy hifandroba. Vahaolana iray izany ny fampitomboana ny tsenan’ny asa.

Tena nidiran-doza ara-bakiteny ity firenena ity satria tsy vita araka ny fampanantenana ny asa fampandrosoana. Iza moa no nanampo hoe amin’izao taona 2017 izao dia mbola ny 15% n’ny malagasy ihany no hanana herinaratra. Ireo 15% ireo anefa mbola mijaly noho ny delestazy izay tsy ahitan’ny Fanjakana vahaolana mihitsy hatramin’izao. Raha tena mitohy izany ny zavamisy dia latsaky ny 10% sisa no mety hahazo herinaratra satria ny Fanjakana dia efa mampatsiahy matetika ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin-jiro sy rano ato ho ato.

Ankoatra ny tsy fahombiazan’ny mpitondra Fanjakana dia toa ianjadian’ny herisetran’izao karazana loza rehetra izao i Madagasikara hatramin’ny niandohan’ity Répoblika fahefatra ity. Iza no nanampo hoe hiverina hamely sy handripaka sy hiparitaka eto ireo areti-mifindra mahafaty samihafa toy ny pesta, lefakozatra, tazomoka. Iza no nihevitra fa manomboka ny taona 2014 niakaran’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny fitantanana ny firenena dia hamely eto ireo loza voajanahary mahery vaika toy ny rivo-doza, tondra-drano, horohorontany, haintany, valala sy sahona misy poizina. Hatramin’izany ambalavelona izany aza moa no nirongatra nefa noheverina ho aretina tamin’ny vanim-potoanan’ny haizina.

Tena nidiran-doza i Madagasikara ary mila mieritreritra ny mpitondra sy ny vahoaka. Ny loza misy foana na aiza na aiza saingy kosa afaka sorohina na hamaivanina amin’ny alalan’ny asa sy ny fitantanana mahomby izy ireny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre