Mpivaro-mandeha voaroba – Tsy namonjy ny mpitandro filaminana fa tsy manana solika
Mandry tsy lavo loha ny mponina ao Morondava amin’izao satria manjaka eraka ny tanàna ny tsy fandriam-pahalemana. Mitaraina ny mponina fa miha mitombo indray amin’izao ny vaky trano sy ny halabotry isan-karazany. Ny alatsinainy lasa teo izao dia mpivady mpanao varo-mandeha ao amin’ny Croisement Belo no notafihana jiolahy mitam-basy mahery vaika teny amin’ny Allée de Baobab tao Morondava. Raha ny vaovao azo dia teny an-dalana hamonjy fodiana izy mivady ireo no nosakanan’ny jiolahy efa-dahy miravaka basy teo Bekonazy ny fiara nentin’izy ireo. Avy hatrany dia nanambana basy ny iray tamin’ireo jiolahy ary tsy maintsy nijanona ilay rangahy nitondra ilay fiara. Nasain’izy ireo nivoaka ny fiara izy mivady ary sady norahonany ho faty izy roa no nasainy namoaka ny entana rehetra sarobidy sy ny vola rehetra tany aminy. Tsy nisy azon’izy mivady natao afa-tsy namoaka ny vola rehetra satria basy nifahana avokoa no natondro teo amin’ny lohan’izy ireo. Lasan’ireo mpanakan-dalana tamin’izany ny vola aman-tapitrisany sy ny entana isan-karazany nentin’izy mivady tao anaty fiara. Rehefa azon’ireo jiolahy izay nilainy dia lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo ary nampitandrina ny tsy hiantsoana mpitandro filaminana. Tsy nihaino an’izany anefa ireo lasibatra fa nampandre an’ireo zandary tao an-toerana. Ny mampalahelo anefa dia nilaza ho tsy manana solika entina makany amin’ilay toerana ireo nila vonjy ka dila ihany ireo mpangalatra. Mampanontany tena ny zava-mitranga hoe hakamoana ve ny an’ireo zandary ao Morondava sa tena tsy misy marina ny solika. Tsara anefa ny manamafy fa samy manana ny anjara solikany avy ireo tobin’ny zandarimaria rehetra. Makaiza izany ny solika omena azy ireo sa kosa ampiasain’ireo lehibe hitondrana ny fianakaviany sy anaovany zavatra hafa tsy misy hifandraisany amin’ny asany. Tato ho ato tokoa mantsy dia maro ireo trangam-panafihana izay tokony ho voafehin’ireo mpitandro filaminana saingy tsy tonga ara-potoana mihitsy izy ireo. Hany ka rehefa mahavita ny ataony foana ireo olon-dratsy vao tonga hanao fanadihadiana izy ireo.
Ra Tax.