Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Rano fisotro – Niakatra ny vidin’ny rano amin’ny tavoahangy

Mikoropaka ary lany fanahy mbola velona ny mponina eto an-drenivohitra taorian’ny fanambarana nataon’ny teknisianina ny Jirama fa ho ritra ny rano eto Antananarivo raha toa ka tsy mbola milatsaka ny orana ao anatin’ny efatra andro. Ny ampitson’ny nanaovana io fanambarana io ihany izany hoe omaly dia  nahitana fiakarana sahady ny rano fisotro amidy amin’ny tavoahangy eny amin’ny tsena kely na ny “Epicerie”. Nahitana fiakarana 100 ariary izany. Niakatra 1700 ariary ny Eau Vive , raha 1600 ariary izany  teo aloha ary ny Crystalline kosa dia lasa 1300 ariary raha toa ka 1200 no mahazatra ny mpanjifa. Ny zava-dehibe dia ny fiezahan’ny tsirairay mandanjalanja ny fampiasana ny rano satria io no antoky ny aina voalohany.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre