Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Mampihorohoro vahoaka ireo jiolahy

Manafika sady manolana ireo olon-dratsy.  Miaina ao anatin’ny tebiteby tanteraka ny mponina amin’iny Fokontany Ambalamanasy iny. Tsy mifidy fotoana intsony  ireo jiolahy rehefa hanao ny asa ratsiny fa na andro alina dia mampihorohoro tokoa. Tsy mandeha vitsy izy ireo amin’izany fa amin’andiany folo mahery raha kely indrindra, araka ny fanazavan’ireo mponina. Ankoatra ny fanafihana dia mbola manolana ireo tovovavy sy renim-pianakaviana izay tratrany any amin’ny trano hanaovany fanafihana ireo jiolahy. Matoky tena fatratra ireto olon-dratsy ireto noho ny hamaroany sy ny fitaovam-piadiana eny am-pelantanany. Raha ny fanazavan’ny fokonolona ihany dia mampilaza mialoha izy ireo, izany hoe mandefa taratasy mialohan’ny hahatongavany hanafika tokantrano iray. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia efa hatramin’ny herinandro izy  ireo no nampiely trakta amin’ny fokonolona fa ho avy saingy tsy noraisin’ireo mpitandro filaminana ho tena izy angamba izany. Araka izany, miaina ao anatin’ny fitaintainana fatratra ny mponina, ny fananana efa nohariana hatramin’izay anefa tsy sahy ny handao azy.

 

Manjaka tokana

Mbola ao Toamasina ihany dia manjaka tokana ny jiolahy mpamaky trano.  Miriaria fatratra amin’izao fotoana izao ireo jiolahy eny amin’ny tanàna am-pitan’ny tetezana Mainty, izany hoe eny amin’ny « cité Vohitsara », mbola ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Toamasina, manoloana ny asa ratsy ataon’izy ireo dia ny asa famakiana trano. Nanomboka ny faran’ny taona teo ary vao mainka miha mahazo vahana izany ankehitriny satria efa tokantrano maro no lasibatra. Raha ela indrindra dia telo na efatra andro no nandrenesana fitarainana avy amin’ny tokantrano manodidina fa notafihin’ireo jiolahy. Entana lafo vidy, toy ny fahitalavitra fisaka, ny finday, ny solosaina, ny firavaka, ny kojakoja ao an-dakozia mora bataina no lasan’izy ireo tamin’izany.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre