Teknisianin’ny tontolo iainana avokoa
Lasa resa-be eto amin’ny firenena indray ny orana tsy mety avy. Raha noheverina hatramin’izay fa andro ratsy ny oram-be sy ny tondra-drano dia lasa faniriana indray ny hisian’izany ankehitriny. Ny tekinisianina ao amin’ny JIRAMA sy ny foibe mpamantatra ny toetr’andro rahateo nahay nilaza sy nanitatra ny zava-misy mba hampiteraka savorovoro amin’ny saim-bahoaka. Sahin’ny tompon’andraikitry ny JIRAMA mantsy ny nilaza fa ho tapaka ny ranon’Antananarivo afaka hateloana ary tsy misy fanafany izany raha tsy avy ny orana. Ny mpiasan’ny Météo ihany koa dia nanamafy fa tsy ho avy izany io orana io na inona na inona atao satria ny rahona mihitsy no tsy misy. Vao mainka aza ry zareo nanampy trotraka fa misy andian-drahona miforona any avaratry ny Nosy any saingy ahiana hanakana ny orana ihany koa izy io. Fa mba inona loatra ny ao an-tsain’ireny tompon’andraikitra ireny no dia sahy mampihorohoro vahoaka toy izany. Ny valala misy ary ny mpilaza mahay, araka ny fitenenana. Vahaolana izao no ilain’ny vahoaka sy ny firenena fa tsy fampihorohoroana ara-tsaina. Ny fianana andavanandro efa mafy, ny delestazy tsy mety ahitam-bahaolana nefa mbola io koa fa ampihorohoroana amin’ny resaka rano ka vao mainka misahotaka ny vahoaka.
Dia noraisin’ny tsirairay tamin’izay tandrify azy ny raharaha mba hahafahana miseho. Lasa teknisianin’ny tontolo iainana avokoa i Babay sy i Lohavohitra amin’izao fotoana izao. Izay afaka miteny amin’ny fampahalalam-baovao sy haino aman-jery rehetra dia miseho ho be saina avokoa fa vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana no mahatonga izao orana tsy mety milatsaka izao. Doro tanety sy ny tavy no mahatonga io hoy ry zareo be atidoha sy maranin-tsaina isany. Manao tsianjery fotsiny anefa ny ankamaroan’ireny ary tsy mbola nisy nandray andraikitra tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany hatramin’izay. Lamaody sy mety hampalaza tampoka ny filazana fa ny fahasimban’ny tontolo iainana no mahatonga izao haintany izao ka mirohotra miseho ho mpiaro ny natiora avokoa ny rehetra. Tsy diso io fahasimban’ny tontolo iainana io nefa kosa diso fiantefa ihany ny antso sy ny fanazavan’ireo tia sehoseho. Ny vahoakan’Antananarivo no hitondrana fanazavana isan’andro lava izao fa tsy tokony handoro tanety sy hanao tavy nefa tsy ny olona eto no manao izany. Efa am-polo taonany ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no niady fo aman’aina nanentana sy nandresy lahatra ny rehetra, indrindra ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny tsy tokony hanimbana ny ala nefa tsy nisy mpanohana sy mpanampy. Izao mitranga ny loza dia miseho ho mpiaro ny ala avokoa ireo tompon’andraikitra rehetra izay tsy hita izay natao hatramin’izay.
Tamin’ny taona 2005 i Madagasikara dia nanana vina ny hampakarana ny velarantanin’ny faritra arovana ho avo 3 hena na 6 tapitrisa hektara ao anatin’ny 10 taona. Mialohan’ny taona 2015 anefa dia efa tratra io vina io. Ny taona 2014 izay nanaovana tomban’ezaka maneran-tany nandritra ny kaongresin’ny faritra arovana dia tsy nisy nety naka fanapahan-kevitra ny hampamokatra indray ny velaran-tany misy ala tokony harovana eto Madagasikara ny Fanjakana fa nitodika indray any amin’ny ranomasina. Resaka ara-taratasy sisa no navoaka sy nozaraina mba hanamarinana ofisialy ireo velaran-tany efa narovana hatramin’izay. Ankoatra ny fambolen-kazo mahazatra izay hita fa tsy mahomby dia tsy nanana politika mazava entina hiarovana ny asa i Madagasikara hatramin’ny taona 2014. Niaraha-nahita izany tamin’iny 2016 iny satria tena nirongatra be ny doro tanety ary tsy hita izay nataon’ny fitondram-panjakana hisorohana izany.
Ravalo tsy Manana