Ambohimahasoa – Olona fito matin’ny pesta
Firenena_feno_pesta. Nahafaty olona fito tao Ambohimahasoa, tao amin’ny fokontany Andovoka sy Valozora, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fiadanana. Misy ary tena misy eto amintsika ny pesta, izay any ivelany dia tsinjaraina ho toy ny aretin’ny fahiny na maladie du moyen-âge). Ny fanjakana tsy mandray andraikitra fa lazaina fa ny haino aman-jery no mandainga mba entina hanakonana ny zava-misy ary misy hatrany ny valin-teny masiaka avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana. Saingy na inona na inona lazaina, dia misy ny pesta ary mbola mamono olona eto amintsika, ary tsy tokony handaingana ny fisiany.
S.A