Tsy resy akory ny olo-mangina
Ela ny ela ka lany rora ny mpanao politika malagasy. Toa tsy misy sahy miteny firy mihitsy mantsy amin’izao fiandohan’ny taona izao. Lany ve ny bala rora sa niova fo ka nisafidy ny hangina volamena? Mahagaga ny zava-misy satria amin’izao fotoana tena iletehan’ny firenena ao anaty hantsana lalin’ny fahantrana sy ny loza izao no tsy miteny ireo milaza ho mpanapo politika tia tanindrazana sy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Misy fotoana anefa misarongatra be izy rehetra ary manoatra noho ny hanao inona mihitsy.
Mazava ho azy fa zaran’ny mpitondra aza tsy misy miteny satria izay rahateo no mety aminy. Rehefa mangina tsy misy sahy mamaky bantsilana ny tsy mety eto amin’ny firenena dia mahazo aina ireo tompon’andraiki-panjakana satria toy ny mety sy mizotra araka ny tokony ho izy ny asan’izy ireo. Dia mitohy mazava ho azy ny fahantrana sy ny fahapotehana eto amin’ny firenena. Tsy misy mpitondra fanjakana na mpanohana azy hiaiky mihitsy hoe misy tsy mety ny fitantanan’izy ireo ny firenena ary miha-mahantra andro aman’alina ny vahoaka malagasy.
Ny vahoaka rahateo karazan’ny efa miraviravy tanana sisa satria vitan’ny fimenomenomana sy tatasika etsy sy eroa fotsiny fa tsy sahy tena mandray andraikitra ho an’ny firenena. Io antony io ihany koa angamba no heverina fa mety mamparisarisa ny mpanao politika tsy hanao hetsika. Be menomenona sy tsikera ny vahoaka ary maro ny havanana amin’ny fandrangitana nefa rehefa tena antsoina hiara-haneho hevitra tsy misy sahy fa mihainohaino fotsiny any an-trano miandry ny zava-niseho.
Mahita tatitra eny amin’ny facebook vao samy miseho ho tompon’ny hevitra sy ny atidoha. Ity facebook ity rahateo efa zary lasa fiainana andavanandron’ny Malagasy ka any sisa no sahy milaza ny heviny sy mampiseho ny tena fomba fisainany ny ankamaroan’ny olona. Soa fa nisy ny facebook mba hahafahan’ny tsirairay mamoaka ny ao am-pony sy ny ao an-tsainy ary ihany koa hifampizarana ny zava-misy amin’ny hafa na dia maro aza ireo tena havanana amin’ny fanaratsiana sy ny fanakihanana ao amin’io tambajotra iray io.
Hadinodinon’ny ankamaroan’ny olona sy ny mpanao politika fa na tsy eo amin’ny fitondrana aza dia manana andraikitra hanara-maso akaiky ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana ny fanjakana ny tsirairay. Tena ilaina ny fahasahiana miteny sy manakihana ary mandroso soson-kevitra mba entina hanatsarana ny fitantanana ny firenena. Tsy fantatry ny mpitondra ambony sy ny manam-pahefana miliba amin’ny tombontsoa mihoam-pampana ny fisian’ny olona tsy mihinan-kanina noho ny halafon’ny vidim-piainana raha tsy ny vahoaka no miteny izany.
Ny zava-misy aloha hatreto dia tena latsaka an-katerena ny firenena ary tsy mahita vahaolana amin’izany ny mpitondra Fanjakana. Mety mba manao izay ho afany ihany izy ireo any ambadika any saingy tsy hita soritra ety ivelany aloha ny mety ho fisian’izany. Miha-misondrotra isan’andro vaky izao ny vidim-piainana sy ny karazan-javatra rehetra ilaina amin’ny fampandehanana ny fiainana andavanandron’ny isan-tokantrano nefa ny asa sy ny karama tsy misy fivoarana firy amin’ny sehatra rehetra.
Tena sahirana ny vahoaka malagasy ary voasarontsaron’ny resaka tsy fandriam-pahalemana sy fitsaram-bahoaka ary tsy filatsahan’ny orana eto an-drenivohitra fotsiny sisa ny vokatry ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka. Be loatra rahateo ny zava-dratsy mitranga eto amin’ny firenena koa ny hitanisa izany aza lasa mandreraka ny olona. Tokony fantatry ny mpitondra Fanjakana izany ary tokony hanaitra azy ireo satria matoa ny olona mangina dia tsy resy tsy akory fa sasatra itambesaran’ny vesatry ny fahantrana.
Tsy tokony heverin’ny mpitondra ho tombony ho azy ireo ny fahanginan’ny vahoaka sy ny mpanao politika fa tokony kosa entina hanairana mba handraisana andraikitra ho an’ity firenena. Tena latsaka an-katerena i Madagasikara ka mila fanarenana maika. Raha izao no mitohy dia na hiafara amin’ny kere sy ny ady an-trano toy ny any Afrika ity firenena ity.
Ravalo tsy Manana