Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Petite vitesse – Voadonan’ilay rangahy ny vilany feno lasopy, raikitra ny rombo

Raikitra indray ny rombo teny amin’ny Petite vitesse omaly, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva. Na efa nesorin’ireo mpitandro filaminana sy ireo mpiasan’ny kaominina mantsy ireo mpivarotra amoron-dalana dia mbola maro ihany ireo minia mivarotra sy mameno ny sisin-dalana. Ny hita anefa dia manery ny lalana ary tsy misy andehanan’ny mpandeha an-tongotra ny « trottoir » ka lasa mihafihafy ireto farany, indrindra fa ny eny Behoririka sy eny amin’ny Petite vitesse. Omaly àry dia raikitra ny sakoroka satria voadonan’ny rangahy iray ny vilany be nisy lasopy. Raha ny vaovao voaray dia vokatry ny fahateren’ny lalana no nahatonga izany. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra fa nitaky ny hanoloan’ilay nandona azy ny vidiny. Ity farany anefa nandà hatramin’ny farany fa tsy handoa na ny ariary tamin’izany ary nanambara izy fa tsy misy hadisoany ny nahavoadona io entana io, noho ny fahateren’ny lalana. Nitangorona ny olona ary tsy nanome rariny mihitsy an’ilay mpivarotra. Rehafa tsy nahazo rariny noho izany izy dia nila ady ary avy dia nikasi-tanana ilay mpandeha an-tongotra. Efa saika hifampitolona izy roa lahy no nosarahin’ny fokonolona. Nasaina niala ny toerana nisy azy ilay mpivarotra ary norahonan’ny olona mba tsy hiverina intsony satria azy ny hadisoana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre