Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Mpiasam-panjakana – Mimenomena ireo mpiasa fa mbola tsy nivoaka ny karama

Eo amin’ny faha-18 ny volana eo matetika no mivoaka ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hataraina ny an’ny rehetra izay tonga nilahatra teny amin’ny fizaram-bola eny amin’ny Banky fa efa ho faha-23 ny volana ny andro nefa mbola tsy tafiditra any foana ny karaman’izy ireo. Ka zary lasa toa vazivavy ny rehetra hoe delestazy koa ny karama. Raha ny eto an-drenivohitra aza moa no toa izany dia azo eritreretina ve ny manjo ireo mpiasam-panjakana any amin’ny faritany izay tsy mandray karama raha tsy isaka ny 3 volana farafahakeliny.  Ny fanjakana izay vao tsy ela akory izany no nandany vola 5 miliara amin’ny fandefasana ny Can na ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra amin’ny fahitalavi-pirenena. Efa manomboka mampiaka-peo sahady ny mpiasa eny anivon’ny birao rehetra. Raha vao manomboka moa ny taona dia efa tsy misy sahady ny handoavana karama nefa rahoviana vao ho tapitra ny 12 volana ?

S.A

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre