Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Tanambao Tsaramasay – Tokantrano iray isan’andro no voatafika

Miroso mankany amin’ny tsy fandriam-pahalemana andro aman’alina amin’izao ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Fokontany maro no iharan’ny fanafihana efa ho isan’andro lava izao ary anisan’ny lasibatra tamin’izany, ny herinandro lasa teo ny fokontany Tanambao Tsaramasay. Tokantrano iray isan’andro no voatafika ao ary tsy misy miangana avokoa ny entana amin’izany.

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’io toerana voalaza io satria misesisesy indray  ny vaky trano ataon’ ireo jiolahy mitam-piadiana raha toa ka ny sinto-mahery no nampalaza io faritra io. Raha ny vaovao voalaza dia niharana fanafihan-jiolahy tao amin’io fokontany io ary tokantrano tsy latsaky ny telo no voatafika ny sabotsy lasa teo. Tsy vitan’ny manafika sy maka ny entana ao an-trano fotsiny anefa ireo mpanafika fa sady mampijaly no mikasi-tanana ny tompon-trano mihitsy. Raha ny vaovao nambaran’ny iray tamin’ireo voatafika dia tompon-trano miisa telo no nampandohalihan’ ireo jiolahy no sady nodarohany. Raha toa ka misy ireo mitady hanohitra dia felaka sy daka no mahazo azy, ny ambana antsy manginy fotsiny. Ny jiolahy sasany mikaroka ny entana sarobidy rehetra ary ny ambiny kosa manambana ny fianakaviana iray manontolo amin’ny antsy sy ny basy. Tsy afaka ny hanao na inona na inona manoloana ny fihetsik’ireo jiolahy na dia ireo lehilahy matanjaka ao an-trano aza noho ny fatahorana. Voalaza mihitsy aza fa efa nisy nieritreritra ny hanolana ireo olon-dratsy saingy noho ny fahamaizana dia tsy tanteraka izany. Nanditra ireo fanafihana ireo dia lasa ny vola, firavaka sarobidy, moto, finday, fahita lavitra sy izay mety ho entana lafo vidy rehetra. Na izany aza dia nisy tompon-trano nanao vela-pandrika ka efa nisy tamin’ireo mpanafika no efa eny ampelatanan’ny mpitandro filaminana. Antso avo no ataon’ireo mponina ao Tsaramasay amin’ireo zandary sy tompon’andraikitra mahefa satria efa nahare feo indray izy ireo fa hiverina haka ny anjarany ireo jiolahy hafa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre