Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Jirama Ambohijatovo – Ny renirano ritra nefa ny paompy vaky tsy amboarina

Dia gaga sy talanjona avokoa ny rehetra mahita ity fantsona vaky etsy Ambohijatovo ambony, izay tsy lavitra akory ny Foiben’ny Jiro sy Rano malagasy. Efa hatramin’ny alahady alina no mikararana manaraka ny arabe ny rano noho io fantsona vaky io ary tsy mahataitra ireo mpiasan’ny Jirama akory ny mba handray andraikitra mifanandrify amin’izany amin’ny fanamboarana tokony hataony. Sa miandry hantsoina foana toy ny mahazatra ve vao mandray andraikitra na eo akaiky eo aza. Nefa na hiantso aza  moa raha tsy ny lehibe avy hatrany no mamaly tsy hahita mpiasa hipoitra hanatanteraka ny asany akory. Rehefa hanapaka jiro sy hanongotra kaontera ihany no tena mailaka tanteraka ny mpiasan’ity orinasa ity.

Sarotra ny hilaza fa tsy misy mpiasa na iray aza mandalo eo ka tsy mahatsikaritra ity rano migodàna manaraka ny arabe ity. Efa roa andro anefa izay no very manaraka ny arabe izany rano izany.  Tsy mahagaga raha toa ka miseho ny tranga tahaka izao. Ankoatra ny doro-tanety, izay maharitra ny rano dia sarotra ihany koa ny tsy hilaza ireo jiro sy rano izay mikarakara any amin’ny toeram-piasanan’ny mpiasam-panjakana. Ohatra amin’izany ny eny amin’ny Oniversitem-panjakana, izay mandeha dia mandeha tokoa ny rano eny amin’ny paompy izay efa tsy misy « robinet » intsony ny ankamaroany na eny amin’ny trano fidiovana io na eny amin’ny toerana fanasan-damba.  Hany ka ny vahoaka madinika hatrany no atao mibaby ny saran’izy ireny.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre