Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Iza marina no voaozona?

Lany haika ny vahoaka malagasy fa tsy mety avy ny orana aty afovoan-tany. Hany herin’ny rehetra dia mamorona fa kapoka sy sazy avy amin’ny hery tsy hita maso no mitranga amin’izao fotoana izao. Misy manitrikitrika fa be fahotana loatra ny firenena ka faizin’ilay Nahary. Ny hafa indray sahy manendrikendrika tsotra izao fa misy olona ambony mifanaraka amin’ny maizina ka ny vahoaka malagasy no atao sorona amin’ny alalan’ny haintany. Ny sasany kosa milaza fa noho izy nogadraina sy nosazian’ny fanjakana no mahatonga izao haintany manjo ny firenena izao.

Olon’ny finoanoampoana ary mifikitra tanteraka amin’ny fanazavana hery tsy fantatra sy tsy hita maso ny Malagasy ka maro no mivoy io fampifandraisana ny loza voajanahary sy ny hery tsy hita maso io. Raha tena mitombina anefa izany dia iza àry no nanota fady teto amin’ity firenena ity. Iza ihany koa no tena mampitombo lanja ny ota ka nahazoan’i Madagasikatra ozona mba tsy hisian’ny ranon’orana milatsaka. Mazava ho azy fa samy hanadio tena sy tsy te ho diso ny tsirairay ary rehefa toy izany no mitranga dia atao safo be mantsina ailika any amin’ny mpitondra ny rihitra rehetra. Ekena fa tsy anjely ny mpitondra firenena eto madagasikara nefa kosa mitovy amin’ny vahoaka ihany izy ireo.

Tsara homarihina mantsy fa tsy ny mpitondra Fanjakana velively no nanao ireo fahitana mahafaty rehetra mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy mpitondra mihitsy no nanipy ilay henan-kisoa nanimbazimbana ny toerana masina tany amin’ny faritra iray eto amin’ny firenena. Tsy mpitondra ihany koa no nandoro velona ilay olona sahy nanao io fanimbazimbana io. Tsy azo lavina ihany koa fa tsy ny mpitondra fanjakana na ny manam-pahefana isan-tsokajiny no tompon’antoka amin’ireny halatra sy vono olona mitranga isan’andro ireny. Sanatria tsy natao hiarovana ny mpitondra Fanjakana ity bala ity saingy kosa tsy tokony ho hadinoin’ny rehetra fa misy dia misy ao anaty vahoaka ao ny olon-dratsy sy tsy mendrika ary tena be fahotana mahafaty sy ditra isan-karazany. Mirongatra be izao eny anivon’ny fiarahamonina ireo sodomita izany hoe ireo lahy samy lahy na vavy samy vavy no mivady na raha tsorina dia maka fahafinaretana amin’ny firaisana ara-nofo. Manohitra izany  avokoa anefa ny sokajim-pivavahana rehetra tsy an-kanavaka. Ny baiboly kristianina moa dia mitantara mihitsy fa nodoran’Andriamanitra ny tanan’i Sodoma sy Gomora noho io resaka fahotana mahafaty amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy io. Eto Madagasikara anefa dia maro ireo milaza azy ho kristianina no mampiaka-peo sy avo vava fa azo ekena ny fisian’ny pelaka eny anivon’ny fiarahamonina. Ireo mila ranondranony amin’ny amerikanina sy ireo te hiseho fa manana toe-tsaina mivelatra toy ny mponina any amin’ny firenena tandrefana no tena mivoy azy io. Ankoatra izany dia ny vahoaka ihany no mamono olona, mijangajanga, mangalatra, manao kolikoly, midoroka sy mimamo. Firifiry ny olona heverina fa mba manana ny fiiziny sy tokony ho maodely no tsy mahatandrin-tena manoloana ny fijangajangana sy ny fimamoana ? Eo ihany koa ireo misora-tena ho olon-dehibe sy manan-kaja nefa tsy menatra ny manodina ny tokony ho anjaran’ny hafa ary mametsifetsy ny madinika.

Santionany ireo entina milaza fa raha tena ozona sy sazy amin’ilay Nahary izao manjo an’i Madagasikara izao dia tsy ny mpitondra irery no diso sy tokony handini-tena fa ny vahoaka rehetra ihany koa. Izany akory tsy midika fa marina ny mpitondra satria ho an’ny resaka lojika dia ny tsy fahaiza-mitantana no nahatonga izao haintany izao. Raha nahay nametraka paik’ady matotra hiarovana ny tontolo iainana sy hanakanana ny fanimbana ala ny fitondram-panjakana dia tsy nisy izao hain-tany izao.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre