Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toliara – Bisky sy vatomany iray taonina no femendrofendroana nentin’ny Fanjakana

Efa zatra mihevitra ny mponina ho zaza.  Taorinan’ny tondra-drano tany Atsimo dia nandefa fanampiana ho an’ireo traboina any amin’iny faritra iny ny mpitondra malagasy ka dia  nitondra izay voatsirambin’ny tanana marina ara-bakiteny. Vatomamy sy bisky iray taonina no natolotr’ireo mpitondra fanjakana nankahery ireo mponina traboina any an-toerana. Tsy fantatra intsony na ity fanjakana ity no efa tsy mahalala ny tokony hataony  na mba te hitondra teny famendrofendroana ho an’ireo vahoaka na efa te hoderaina. Lany fanahy mbola velona ny olona. Ny fanjakana miezaka mafy ny manafina fa tsy misy ny tondra-drano any Atsimo ary milaza fa lainga ny vaovao avoakan’ny mpanao Gazety. Ny haino aman-jerim-panjakana moa tsy mba milaza mikasika izany na dia teny iray aza any anaty fampahalalam-baovao omeny.  Koa mety izay koa no antony iray nanomezana ireto vatomamy sy bisky raha toa ka tokony fanafody sy sakafo no tokony homena.  Tsy misy intsony faritra na iray aza tsy mikaikaika amin’ity fitondrana ankehitriny ity. Ny eto Antananarivo ritra ny rano miha mafy ny delestazy, ny karaman’ny mpiasam-panjakana tsy voaloa. Ny any atsimo tondraka ny rano, tsy hita izay hamonjena ny mponina fa bisky sy vatomamy sisa no vahaolana farany mety amin’ny fanjakana nefa mbola mieritreritra ny hitazona ny sezany amin’ny fifidianana amin’ny 2018. Ny korontana isaka ny renivohi-paritany amin’ny afitsoky ny Jirama izay tsy ahitan’ny Fanjakana vahaolana moa dia efa tsy lazaina intsony.

Mafaitse

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre