Sakambato – Taolam-paty tao anaty gony hitan’ny mpanihika
Asan’ireo varo-maizina mirongatra eto amintsika ny fivarotana sy fividianana taolam-paty. Betsaka ihany ireo tranga efa notaterina an-gazety tao anatin’ny taona maro. Anisan’ny toerana be mpamaky fasana raha ny ao Mahanoro. Ny faran’ny herinandro teo dia taolam-paty miisa 65 no hitan’ny fokonolona teo amoron-drano, tao amin’ny tànana iray antsoina hoe Sakambato, kaominina Ankadibonara ao anatin’ny distrikan’i Mahanoro. Raha ny vaovao voaray dia olon-tsotra handeha hanjono no nahita ilay gony be somary niafina, ka taolam-paty maro no hitany tao. Avy hatrany dia niantso ny sefo fokontany tao an-toerana izy, izay nanao fidinana an-tsehatra nijery ny zava-nisy. Nidina teny an-toerana ihany koa ireo zandary rehefa nampandrenesina ny fisian’ireo taolana miisa 65 ireo. Taorian’ny fizahana no nahitana fa taolan-dava avokoa ny ankamaroany. Tsy fantatra hatramin’izao ny fasana vaky nangalàna ireo na koa ny olona nikasa ny hivarotra azy. Hatreto dia mbola tsy nisy fitaraina mahakasika vaky fasana teny amin’ny manodidina ary mbola mandeha ny fanadihadiana.
Ra Tax.