Fianarantsoa – Naharitra 14 ora sy sasany ny fahatapahan-jiro
Raha fakafakaina ny zava-misy eto amin’ny fiarahamonina malagasy dia azo lazaina fa misy ifandraisany avokoa ny olana iainan’ny mponina eto Madagasikara. Raha tsy hilaza afa-tsy ny haintany sy ny delestazy isika. Vanim-potoanan’ny orana eto amintsika izao nefa tsy milatsaka izany hatramin’izao efa hifaranan’ny volana janoary izao. Ny orana no antenaina hampiakatra ny rano mba hahafahan’ny olona mivelona tsara. Satria ny rano no ahafahana misintona herinaratra, ankoatra ny solika. Rehefa izay no tanteraka dia mandeha ny asa fiveloman’ny maro izay miantehitra amin’izany. Azo lazaina ho mandry fahalemana ihany koa ny tany rehefa mazava ny tanàna dia milamina ny rehetra. Sarotra araka izany ny hifanome tsiny satria dia mihatona ny orana ka betsaka ireo renirano ritra manerana ny nosy izay tokony hmpandehanana tsara ny jiro sy rano. Afak’omaly àry dia tapaka nandritra ny 14 ora sy sasany ny jiro tany amin’ny renivohitr’i Fianarantsoa. Nanomboka tamin’ny dimy ora hariva tany ho any izany fahatapahana izany ary tsy niverina raha tsy ny talata maraina tamin’ny 8 ora. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana anefa dia tsy fahampiana solika no anton’izany. Eo anatrehan’izany dia manaitra ny tompon’andraikitra ny mponina mba hijery akaiky ny mahazo azy ireo satria naharitra loatra ny fahatapahan’ny jiro. Na alina aza manko ny andro efa tsy dia milamina ny fandriam-pahalemana any an-toerana.
Tahirisoa