Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ankadikely Ilafy – Nitera-doza ny delestagy, lehilahy miisa dimy kilan’ny afo

Tsy misy toerana tsy ahitana fahatapahan-jiro eto Antananarivo ary efa manenika an’i Madagasikara manontolo mihitsy izany amin’izao. Voambolana vao noforonina io teny “delestagy” io ary nanjary teny lasa tsy afaka ambavan’ny Malagasy izany ankehitriny. Mikaikaika ireo vahoaka indrindra fa ireo mampiasa herinaratra mba hivelomana. Nanjary nidina 90 isan-jato manko ny vola miditra amin’izy ireny vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny. Tsy vitan’ny manimba ny fiainan’ny vahoaka anefa izany fa mbola mampidi-doza ihany koa. Toa ity nitranga ny alatsinainy alina lasa teo tao Ambohipanja Ankadikely Ilafy ity. Lehilahy miisa dimy no hitondra takaitra vokatry ny afon-dabozia. Raha ny vaovao voaray dia tapaka ny jiro tany an-toerana tamin’io fotoana io ary nampirehitra labozia ry zalahy. Ireto farany izay maromaro natory tao amin’ilay trano fivarotana ambenan’izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana fatoriana dia tsy hay izay zava-niseho marina, na hadino ny namono ny labozia na tsy maty tsara fa fotoana vitsy taorinan’ny nikipian’ny maso dia niledaleda ny afo. Ny tao an-tsena rahateo dia nisy menaka sy feno solefana ary baoritra izay mora mirehitra. Raha ny voalaza hatrany dia kodiarana  nitoby tao amin’io toeram-pivarotana io no tena nampirehitra malaky ny afo. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo dia nanomboka nihombo ny afo ary tsy maty intsony. Ny trano rahateo efa nihidy mafy ka tsy afaka nitsoaka nivoaka intsony ireo mpiambin-trano. May tao noho izany ireto farany ary ny fokonolona nahita ny afo niledaleda no nandeha namonjy azy ireo sy namono ny afo. Tamin’ny 4 ora maraina tany ho any vao tonga teny amin’ny hopitaly ireo lasibatry ny fahamaizana ary tena mbola atahorana mafy ny fahasalamany amin’izao. May tanteraka hatramin’ny volon-doha mantsy ny sasany tamin’izy ireo ankoatra ny ratra mafy nahazo ny sasany. Raha ny nambaran’ny dokotera mitsabo azy ireo dia mbola manaraka fitsaboana mandritra ny fotoana tsy voafetra ry zalahy izay vao afaka ny hivoaka ny hopitaly.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre