Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ampiadian’ny olon-dratsy

Mirongatra be indray ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery ary ny harom-paosy eto an-drenivohitra. Saika voakasik’izany avokoa ny fokontany rehetra tsy an-kanavaka ary miravivary tanana ny vahoaka manoloana io tsy fandriam-pahalemana io. Manao izay ho afany ihany ny polisy isaka ny boriboritany saingy tsy kely lalana ny ratsy ary marobe ka tsy araka intsony. Hita ihany koa fa matahotra ny olona ary tsy sahy manohitra na mifampiaro satria tena mahay miray hina ireo tontakely. Mody ankizy ny an’ny sasany no manendaka fa vahoaka iray fokontany no miaro azy raha vao misy misambotra eo. Efa tonga saina rahateo ny mponina eto an-drenivohitra ka tsy dia misy intsony ny fitsaram-bahaoaka. Ny mpangalatra tratra any anaty tanàna any sisa no iharan’ny daroka fa ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’ny lalam-be toa jerem-potsiny.

Tena mahavariana ny fahaizan’ireo olon-dratsy miray hina. Eny Analakely manoloana ny pavillon iny dia tena fianakaviana iray manontolo mihitsy no mifarimbona manao ny asa fanendahana. Misy ankizy, olon-dehibe, vehivavy mitaiza kely sy mitondra vohoko, ary efa ranenibe no miaraka manao ady farimbona amin’izay sahy manenjika sy misambotra ireo mpanao sinto-mahery. Mahay miray hina amin’ny ratsy izy ireo satria izay no foto-pivelomany. Betsaka ihany izay efa voasambotra izay saingy to vao mainka mirongatra ny ”mpisam” eto an-drenivohitra. Kely dia kely rahateo ny sazy miandry azy ireny ka tsy ahoany. Misy alefan’ny polisy fotsiny satria tsy nisy fitoriana. Ny hafa indray latsaky ny herin-taona an-tranomaizina ny saziny nefa vola be na firavaka an-tapitrisa no nendahiny ary tsy tafaverina amin’ny tompony akory.

Manoloana izao sazy kely miandry ny mpanao ratsy io indrindra no tena antony mahatonga ny firongatry ny fitsaram-bahoaka any amin’ny faritra. Tofoky ny herisetra ataon’ireo olon-dratsy ny vahoaka ka miray hina hampiseho hery amin’ny alalan’ny nify solon’ny nify sy ny maso solon’ny maso. Ny azo antoka aloha dia tsy hisy sahy hamono olona intsony any amin’ireny toerana nisy mpamono olona matin’ny fitsaram-bahoaka ireny. Mety ho mahomby ny tetikadin’ny fokonolona nefa kosa tena fihetsika voararan’ny lalàna satria heloka bevava ny famonoana olona na inona nataony na inona. Ny fitsarana irery ihany rahateo no manana zo sy fahefana hanameloka fa tsy ny vahoaka velively.

Miharatsy ny toe-draharaha satria rehefa mahay miray hina ny olon-dratsy dia manomboka mianatra manambatra ny heriny ihany koa ny vahoaka. Misy antony anefa matoa nasiana ny mpitandro filaminana satria izy ireny no mahafehy sy nahazo fiofanana amin’ny fametrahana ny fahalemana. Ny fampiasan-kery na ny fampiharana sy ny fanajana ny lalàna dia ny polisy sy zandary no tena mahafehy izany fa tsy ny vahoaka sivily velively. Ny tena loza amin’ity fitsaram-bahoaka ity mantsy dia ny hisian’ny risika hahafatesan’ny olona tsy manan-tsiny noho ny resaka tondro molotra fotsiny. Vao haingana kely teto an-drenivohitra, teny amin’iny 67ha iny no nisy tovolahy nodarohan’ny olona fa noheverina ho mpangalatra. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia ilay voaendaka io niharan’ny fitsaram-bahoaka io ary ilay olona avy nanendaka azy ihany no nanendrikendrika azy.

Mila mitady fomba mahomby, noho izany, ny tompon’andraiki-panjakana fa tena mampikorontana ny fiarahamonina ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity. Tsy vitan’ny sahirana amin’ny fampandriana ny fahalemana intsony ny asan’ny mpitandro filaminana fa voatery miatrika ny ady amin’ny fitsam-bahoaka ihany koa. Loza goavana ho an’ny firenena izany satria noho ny hetraketraky ny olon-dratsy dia lasa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana indray mifandona sy mifanafika.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre