Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ampefiloha – Renim-pianakaviana iray voadinan’ny môtô

Ny fiara matetika no aharenesana fa nandona olona ka niteraka fahafatesana na faharatrana. Mitsoaka avy hatrany ny mpamily rehefa izay no mitranga satria matahotra fitsaram-bahoaka. Ny kodiaran-droa kosa fihetraketrahan’ny tompony ihany no mahatonga loza ho an’ny tenany indraindray. Ity nitranga omaly tetsy Ampefiloha ity kosa dia kodiaran-droa mpanatitra ireny karazan-tsakafo pizza ireny no nandona renim-pianakaviana iray izay sendra niampita ny arabe. Raha ny zavatra hita teny an-toerana dia tany amin’ny faritry ny tongony no tena nitarainany ho voa mafy satria avy dia nianjera izy. Nijanona avy hatrany koa ilay mpamily ary nibata azy. Nisy polisy mpandamina ny fifamoivoizana teo nahita akaily ny zava-nitranga. Araka izany tsy nisy ny korontana fa nandray ny andraikitra manandrify azy ilay mpitondra môtô.

Farah 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre