Betroka – Toy ny any amin’ny tany miady
Mihamafy hatrany ny asan-dahalo any amin’ny faritra Atsimo fa indrindra ny ao Betroka. Tsy misy faritra tsy ahitana izany eto Madagasikara ankehitriny fa rehefa faritra misy omby dia misy asan-dahalo avokoa. Raha somary mahalana izany any amin’ny faritra hafa dia saika toa izany no atrehan’ny mponina amin’ireo kaominina maro ao Betroka. Miezaka manao ny ainy tsy ho zavatra ny manam-pahefana miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany any an-toerana. Efa toa zavatra tsy mahataitra ny olona any an-toerana intsony ny fandrenesana poa-basy. Vao maraina mangiran-dratsy dia poa-basy mirefodrefotra no heno any anaty tendrombohitra any “ Zandary sy ny mpanara-dia mifampitifitra amin’ny dahalo. Toa efa tsy maha rotitra ny mponina intsony ny mandre izany isan’andro. Toa ireny any amin’ny tany miady ireny mihitsy ny tampon’Ihorombe iray manontolo. Any anaty tendrombohitra no tena toeram-pilalaovan’ireo dahalo. Eny fa na ny mpitandro filaminana aza moa dia milavo lefona matetika rehefa tafiditra any amin’ny faritra ireo dahalo. Ireto farany mihitsy aza no mihantsy ny zandary hanaraka azy ireo raha toa ka mahasahy. Mametraka ny lalanany mihitsy ireo dahalo.
Maharitra ora maromaro eo no andrenesana izany. Rehefa miditra tanàna izany moa ianao dia kilalao basy vita amin’ny hazo no kilalaon’ny zaza hita eraka ny tanàna matetika. Zary toa ataon’ireo vahiny mandalo fimehezana sady mampieritreritra. Ao anatin’ny iray volana fara faha elany dia tsy maintsy misy foana ny tanàna lasibatry ny asan-dahalo. Miezaka ny mponina ary tsy miraviravy tanana miaro tena amin’ny fanafihana isan-karazany. Misy aza no milanja “razana”, maty voatifitry ny dahalo, no sady manara-dia ny omby very.
S.A