Fiarahamonina – Efa vitsy ny Malagasy misakafo in-telo isan’andro
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Maro ankehitriny ny fianakaviana any anaty fiarahamonina any no efa zara raha misakafo in-telo isan’andro, raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena. Maro koa ny ankizy no miala an-daharana any an-tsekoly, indrindra fa nanomboka tamin’ny fiatombohan’ny telo volana faharoan’ity taom-pianarana 2016-2017 ity. Toa an’i Tamatoa Ninie, roa sisa ny zanany mianatra amin’ireo dimy mianadahy. Efa mahalana izy ireo izany misakafo in-telo isan’andro izany. Tsy anasa rahateo ity renim-pianakaviana. I Rina sy Bodo indray dia mitety fanariam-pako amina kilaometatra maromaro vao mahita ny izay hohanina. Repotry ny fahasahiranana daholo ny fianakaviana malagasy. Eny fa na ireo miasa aza moa dia eo ny bokan’ny trosa, eo koa ny mitady ny hohanina androany tadiavina androany. Nandritra ny fahatapahan-jiro matetika dia vao mainka mihamafy tokoa izany ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano tsirairay izay miankina amin’izany ny asa fivelomany.
S.A.