Miandrivazo – Lasan’ny dahalo 8 lahy ny omby miisa 38
Efa zary toa lasa rivotra iainana eto Madagasikara ity resaka halatr’omby ity. Tsy misy fotoana izay tsy aharenesana izany asan-dahalo izany ary tsy any atsimo fotsiny ihany fa avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy. Tamin’ny herinandro lasa teo àry dia dahalo valo lahy nitondra basim-borona no nandroba omby 38 isa, araka ny loharanom-baovao. Tany amin’ny Fokontany sy Kaominina Isalo, distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe no nitrangan’izany. Teo anatrehan’izany, nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona raha vantany vao lasa ireo mpanafika. Taorian’izany, niara-nientana ny rehetra ka nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Miandrivazo. Vokany, nisy ny fifampitifirana teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohoka, Fokontany Ankihira, Kaominina Dabolava. Tsy niveri-maina tamin’izany ezaka fiarovana ny vahoaka sy ny fananany izay ireo mpitandro filaminana fa tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby 33. Rehefa tsy nahefa na inona na inona tamin’ireo mpanara-dia kosa ireo malaso dia novonoin’izy ireo ny omby 5. Sahiran-tsaina ny mponina any an-toerana satria mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo. Ny vahoaka mikely aina miezaka mihary mampitombo ny eo am-pelatanana ao anatin’ny taona maro nefa alain’ireo olon-dratsy, izay te hanan-karena tampoka amin’ny fotoana kely tsy ampozina. Mila dinihina sy tomorona akaiky hatrany amin’ny fotony ity resaka halatr’omby ity satria diso miaina ao anatin’ny tebiteby ny vahoaka amin’ny afitsok’ireo dahalo. Ny kaompania Miandrivazo no manao ny famotorana sy fikarohana ireo dahalo.
Kalasoa