Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Pullman Ivandry – Taxi nandona telo mianaka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ny ankamaroan’ny lozam-pifamoivoizana miseho eto an-drenivohitra na eny amin’ireny lalam-pirenena ireny dia vokatry ny tandrevaka ataon’ny mpitondra fiara avokoa. Na dia eo aza ny mety ho olana ara-teknika dia ny tsy fitandremana na ny fisetrasetran’ireo mpamily no tena mampidi-doza ary matetika mamono ny olona entiny foana. Ny talata antoandro tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any dia nitrangana lozam-pifamoivoizana saika nitera-doza goavana teo Ivandry, teo akaikin’ny Pulman raha ny marimarina kokoa. Fiara karetsaka iray no nifoaka telo mianaka teny amin’ny faritra natokana ho an’ny mpandeha tongotra na ny « trottoir ». Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia metatra maromaro mialoha ny nahatongavan’ilay fiara teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza dia efa hita fa nivilivily ilay fiara. Hita fa tsy nahatazona familiana ilay mpamily ary tsy fantatra mazava tamin’izany ny antony. Tampotampoka teo anefa avy dia nifaoka ireo telo mianaka, raim-pianakaviana sy ny zanany roa kely ilay fiara. Ireto farany izay azo lazaina fa naka sisiny tsara ary tsy nihoatra ny faritra natao handehan’ny mpandeha tongotra. Ilay zazalahy kely no tena voa mafy tamin’izany raha toa ka voakasika sy nipitika avokoa ny ambiny. Nitangorona ny olona nijery ny zava-nisy ary nibata avy hatrany ilay zaza naratra mafy, noentina tany amin’ny hopitaly. Ny sasany tamin’ireo fokonolona sendra nandalo kosa dia nijery ny tao anaty fiara ary mbola hita tao ilay mpamily sy olona iray noentiny. Ity farany izay naratra mafy koa ka tsy mbola nahatsiaro tena. Navoaka ny fiara ihany koa io lehilahy io ary noentina tany amin’ny hopitaly. Nandritra izany dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay sofera noho ny tsy fitandremany. Nony tonga anefa ny mpitandro filaminana dia nilamina ihany izany ary nalefa teny amin’ny foiben’ny polisy eny Tsaralalàna natao fanadihadiana izy. Tamin’izany no nahafantarana fa hay mamo ity mpitatitra. Ankoatra izay dia nitaraina ilay mpandeha fa very nandritra ny savorovoro ny volany mitentina 800 000 Ariary sy ny firavaka volamenany. Amin’izao fotoana dia mbola ahiana mafy ny toe-pahasalaman’ilay zaza raha toa ka efa nivoaka ny hopitaly ilay lehilahy very entana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre