Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Tsy azo iainana intsony!

Nahavariana ny kabarin’ny filoha tiorka izay nandokandoka ny fitondram-panjakana malagasy. Raha olona tsy mahafantatra ny zava-misy dia tena mahafantatra tsara amin’ny antsipirihany ny zava-misy eto amin’ny firenena io vahiny io. Tsy fantatra mazava na tatitra vilana no azony na ihany koa  fomba fiteny ara-diplaomatika fotsiny no ataony fa ny tsikaritra dia mifanohitra amin’ny zava-misy no nambarany.

Tsy mahagaga izany satria matoa ity vahiny ity tonga eto amintsika dia misy zavatra tadiaviny eto. Azo sokajiana ho anisan’ny matanjaka izany firenena tiorka izany ary tsy handany andro ho aty Madagasikara ny filohany raha tsy misy tombontsoa ho azy ireo aty. Mazava ho azy fa mitady fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’i Madagasikara izy ka tsy maintsy mba mandokandoka ny mpitondra. Ireto farany rahateo dia dokafana ary tsy manafina izany mihitsy. Firifiry ny manam-pahefana ambony no mamerimberina amin’ny kabariny fa mahavita sy afa-po amin’ny asany. Sahin’izy ireo mihitsy ny manondro an-kolaka ho fahavalom-pirenena izay sahy miteny ny tsy mety amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Mazava ho azy fa fantatry ny tiorka izany fomba fijerin’ny mpitondra malagasy izany ka mody dokadokafany mba ho faly ary hanaiky mora ny fangatahany avy eo.

Haninona aty Madagasikara marina moa ny tiorka? Mazava be ny valiny fa hitady vola sy tombontsoa. Misy harena adala tompo sy tantely afa-drakotra eto ka mba te haka ny anjarany ihany koa ry zareo tiorka. Efa nanao am-pihi-mamba teto ny frantsay nandritra ny 120 taona latsaka kely, nirongatra kosa ny karana sy ny sinoa ary ny afrikanina taty aoriana. Mahita sy mahafantatra izany ny firenena rehetra maneran-tany ka mba te haka ny anjarany ihany koa. Dia io fa roboka ny mpitondra malagasy ary mirehareha fatratra fa misy mpandraharaha ara-toekarena tiorka maro tonga eto Madagasikara. Tsy hampanan-karena ho an’ity firenena ity izany ny tanjon’ny mpandraharaha vahiny fa hitady fomba hampitomboana ny volany ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy vao izao mantsy no nisian’izany ary tsy ny tiorka no nanao izany voalohany teto nefa toa tsy taitra ihany ny mpitondra fa vao mainka faly.

Anisan’ny tena traikefa goavana ilain’ny mpitondra malagasy amin’ny filoha tiorka ny resaka fiarovana seza. Manana ny fahaizany sy ny mampiavaka azy amin’ny fiatrehana fanonganam-panjakana mantsy io filoha vahiny io. Ny andiana miaramila heverina ho anisan’ny tena mahery vaika tany an-toerana mihitsy no nanongana azy tamin’ny taon-dasa saingy niala maina fa tsara fiarovana ny tenany. Ilain’ny mpitondra malagasy io fiatrehana ny fikasana hanongam-panjakana io satria ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao dia marefo sy mangozohozo hatrany. Efa matetika ny mpitandro filaminana no milaza ny fisian’ny ahiahy mety fikotrehana fanonganam-panjakana izay tsy atao tsirambina hoy izy ireo fa heverina ho toy ny tena misy foana mba hahafahana miatrika izany.

Rehefa tena dinihina izany dia sarotra ny hanantena fa ny hitondra fiovana sy tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka no antondian’ny delegasiona tiorka aty Madagasikara.  Efa be traikefa sy havanana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena izy ireo ary mahafantatra tsara ny mety hahazoany tombontsoa. Raha ny resaka ara-toekarena dia betsaka ny azony trandrahina sy alaina eto Madagasikara. Raha ny resaka politika kosa dia inoana fa hanitatra ny fanenjehana ireo heverina ho nandray anjara tamin’ilay fanonganam-panjakana tsy nahomby tany aminy ny filoha tiorka. Ny masoivohony rahateo efa nilaza mazava fa misy trano fianarana sy foibe ara-kolontsaina tiorka miorina eto Madagaiskara izay ahiahiana ho anisan’ny mpamatsy vola ny asa fampihorohoroana. Heverina fa tafiditra tamin’ny fitsidihan’ny filoha tiorka teto amintsika ny fangatahana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy ny hanakatonana ireo fianarana sy foibe ara-kolontsaina ireo.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre