Toliary – Lehilahy hita faty nilon-drano efa andro maro
Miha betsaka indray amin’izao ny olona maty na hita faty amoron-drano. Taorian’ilay tany Vangaindrano dia fatin-dehilahy iray indray no hitan’ny olona nitsirara teo amoron-drano afak’omaly tao Toliary. Raha ny voalazan’ny olona monina ao Fieferana, toerana nahitana ilay vatana mangatsiaka dia ankizy nandeha nisaika no nahita ilay razana izay efa fotsy hatsatra tanteraka sady efa nibontsina be ny kibony. Natahotra mafy ireto ankizy ireto ka nandeha avy hatrany nampandre ny tany an-tanàna. Minitra vitsy dia vory ny fokonolona nijery ny zava-nisy ary teo no nahafantarana fa efa ela ity lehilahy ity no maty an-drano fa izay vao natsipin’ny onjan-drano teny amoron-dranomasina. Nobataina teny an-tanety mantsy ilay razana ary efa nahitana fahasimbana, saingy tsy namofona kosa satria mbola feno rano ny vatany. Hatreto dia tsy mbola fantatra izay antony nahafaty an’io lehilahy io ary tsy nisy nahafantatra ny momba azy koa teo an-tanàna. Mbola karohina amin’izao fotoana izao izay mety ho havany. Nokarakarain’ny fokonolona ny momba ny razana ary mitohy kosa ny fanadihadiana. Raha ny vaovao voaray tamin’ny mponina dia efa im-betsaka no nahitana olona maty an-drano toy izao eo amin’io rano io.
Ra Tax.