Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Fandefasana mpiasa any Arabia- Saodita – 7 vavy saron’ny zandary saika hiondrana an-tsokosoko

Na maro aza ireo tanora Malagasy mahita loza noho ny fiondranana miasa any Libana sy Arabia-Saodita dia mbola maro ihany ireo tanora zazavavy no roboka mandeha any. Tsy hoe fampijaliana tsotra toy ny tsy fandoavana karama anefa ny fahoriana lanjain’ireo izay miverina avy any fa dia fandratrana sy fandatsahana aina hatrany no betsaka. Hafaliana handeha hitaingina fiaramanidina no isarahana amin’ny fianakaviana eny Ivato nefa vatana mangatsiaka no raisin’ireto farany volana na taona vitsivitsy aorian’ny fandehanana. Tanora 7 vavy indray no tra-tehaka ny alatsinainy 23 janoary 2017 lasa teo teny Ivato Antananarivo. Avy any Mahajanga izy ireo ary mikasa hifindra monina tanteraka any Arabia-Saodita raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana. Araka ny loharanom-baovao diat ambajotra iray any Mahajanga no nikononkonona ny fandefasan’azy ireo. Raha nahare ny vaovao anefa ny ray aman-drenin’ ireo tanora dia nitady fomba rehetra hahafahana mamerina ny havany eto Mahajanga. Nanantona ny solombavam-bahoaka Mapar voafidy tany Mahajanga I, Rahantanirina Lalao na Ninà ireo ray aman-dreny ireo mba hanao izay hiverenan’ny havany haingana any amin’ny tanàna niaviany. Ny tena olana tamin’izao raharaha izao dia tsy nanana saran-dalana hiverenana tany Mahajanga ireo tanora ireo ka ity depiote ity no nandray an-tanana ny fandoavana izany teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara tao Aranta. Raha dinihina izany dia tsy ariary am-paosy akory izy ireo miala eto an-tanindrazana. Milaza ny hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ity olom-panjakana ity. Ny fanjakana rahateo efa namoaka didy ny fampitsaharana ny fandefasana mpiasa any ivelany.

Kalasoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre