Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Andravoahangy – Voambana antsy lava lela ilay mpivaro-damba

Nanjary miaina ao anaty tebiteby amin’izao fotoana ireo mpivarotra eny Andravoahangy taorian’ity fanafihana mitam-piadiana nitranga ny talata alina lasa teo ity. Andro vao amin’ny 8 ora alina mantsy dia efa sahin’ireo jiolahy sahady ny manafika mpivotra. Raha ny voalazan’ilay raim-pianakaviana lasibatra dia iny izy hanidy tsena iny mihitsy no nisy andian-dehilahy nanantona azy. Noheverin’ity mpivarotra fa olona hividy entana toy ny olona rehetra izy ireo ka tsy nanana ahiahy mihitsy izy. Tampotampoka teo anefa dia nanambana antsy lava lela azy ny lehilahy iray tamin’ireo jiolahy ary ny sasany kosa nanodidina ny toeram-pivarotana. Avy hatrany dia nandrahona ilay mpivarotra ny mba hamoahany ny vola rehetra tao an-tsena ilay nitondra antsy, ary nampitandrina ny tsy hiantsoany vonjy na hikika na dia kely aza. Mbola betsaka ireo olona nivezivezy tamin’io fotoana io ka nohidin’ireo jiolahy moramora ilay toeram-pivarotana mba tsy ho tsikaritry ny manodidina ny  asa ratsy ataon’izy ireo. Rehefa niha nahery vaika ny fandrahonana dia nentin’ny tahotra ilay mpivarotra ka namoaka tsy fidiny ny vola tao an-tsena izay efa mitentina valo hetsy sy iray tapitrisa Ariary. « Somary nanafina ny tarehiny ny roa tamin’ireo olon-dratsy mba tsy hahafantarako azy fa ny ambiny kosa dia nandeha tsy nisaron-tava ary tena mbola tadidiko tsara ny endrik’izy ireo raha toa ka mifanena amiko », hoy ilay raim-pianakaviana lasibatra. Rehefa nahazo izay nilainy moa ireto jiolahy dia niara-nivoaka ny tsena ary nandeha nizotra tsimoramora nankany amin’ny lalan’i Mascar iny. Na niantsoantso vonjy aza avy eo ilay rangahy dia efa tsy nisy azo natao intsony satria efa lasa lavitra ireo tsy mataho-tody. Ny sisa azo nataon’ilay lasibatra dia ny nametraka fitarainana tamin’ny olona tsy fantatra teny anivon’ny mpitandro filaminana. Raha ny vaovao voaray moa dia efa manjary lasa toerana ankafizin’ireo jiolahy mihitsy iny  Andravoahangy iny amin’izao ary tsy ireo mpivarotra ihany no ataon’izy ireo mahita faisana fa hatramin’ireo mpiantsena sy tratra alina ihany koa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre