Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Olona roa niara-maty tao anaty fifampitifirana

Nirefodrefotra ny basy, naharitra 15 minitra teo ho eo no nifanandrina ireo mpanara-dia sy ireo dahalo, araka ny vaovao voaray hatrany. Vokany, raim-pianakaviana iray avy amin’ny mpanara-dia no lavon’ny bala, nahafaty ny iray tamin’ireo jiolahy ihany koa ireo zandary. Vaky nandositra ireo roa lahy namany rehefa nahita fa tsy ho resy tosika ireto nifanandrina taminy. Ahiana ho nikasa hanatanteraka fanafihana tao an-tanàna ireto jiolahy.

Telo lahy nihaodihaody tao an-tanàna tsy lavitra ny Kaominina Mahavelona ao anatin’ny Distrikan’Ankazobe, izay nanaovan’ny  Zandary fisafoana. Mailo tamin’ny fihetsik’izy ireo avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nikasa ny hanao fisavana. Vao nahita izany anefa ireto noahiana ho olon-dratsy tonga dia vaky nitsoaka, nampitandrina azy ireo mba hijanona ihany ireo zandary kanefa dia tifitra vary raraka no navalin’ireo jiolahy izany. Raikitra  ny fanarahan-dia, nanampy isa ireo mpitandro filaminana ny fokonolona tao an-toerana. Tany amin’ny tanàna kely iray tsy lavitra an’i Mahavelona no nifanehitra ny roa tonta. Raikitra ny fifampitifirana. Nihamafy ny fifandonana teo amin’ny mpanara-dia sy ny jiolahy. Tsy nanaiky lembenana anefa ny zandary sy ny fokonolona fa niezaka nanohitra hatramin’ny farany. Ankilany ireo olon-dratsy ihany koa nampiasa ny basy teny am-pelatanany. Vokany, olona roa no niara-maty tsy tra-drano lavon’ny bala nandritra ny fifandonana. Mitohy ny fanarahan-dia.

 

Nangon’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre