Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Famonoana olona – Tovolahy namono olona miisa roa nidoboka eny Tsiafahy

Mahavita zavatra tsy eritreretin’ny saina, eny hatramin’ny fandatsahan’aina mihitsy ny olona rehefa misy resa-bola. Ny vola tokoa no maha rangahy araka ny fitenenana ka manao izay fomba rehetra ahazoana azy ny tsirairay fa ny an’ny sasany kosa dia tafahoatra indraindray. Toa izany ny nahazo ity tovolahy vao herotrerony ity satria dia vao 25 taona monja izy dia nahavita namono olona noho ny resa-bola. Raha ny vaovao voaray dia sakaizany ihany no novonoiny tamin’ny 9 janoary lasa teo. Ity farany izay mpanera ary efa 50 taona dia noheverin’ity nahavanon-doza fa mpanefohefo ka manana vola aman-tapitrisany maro. Voalaza fa efa nitokan-trano izy roa ireo vantany vao maty ilay rangahy vadin’ity ramatoa maty ity. Io rangahy io ihany koa dia maty nisy namono tamin’ny volana aogositra 2016 lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana anefa dia voasambotra soamantsara io tovolahy io ny 13 janoary lasa teo. Fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nahafantatra ny toerana nisy ilay tovolahy, andro vitsivitsy taorian’ny namonoany an’ilay sakaizany. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ihany koa no nahafantarana fa io tovolahy io ihany koa no nahavita namono ny vadin’ilay sakaizany teny amin’ny Bibilava Ambatomaro. Tsy vitan’izany anefa fa nitsotra ihany koa izy fa tsikombakomban’izy sy io vehivavy sakaizany io ilay famonoana an’io rangahy io. Mbola nahagaga ihany koa satria nolazainy fa zanak’izy mivady maty novonoiny ireo ihany koa no nanome baiko ka niray tsikombakomba taminy tamin’ny famonoana ilay ramatoa. Mifamahofao ny raharaha ary mbola manao fanadihadiana lalina ireo mpitandro filaminana misahana ny raharaha. Ilay tovolahy nahavita namono olona miisa roa be izao kosa dia nidoboka eny Tsiafahy avy hatrany. Mboka karohana kosa io zanak’izy mivady voalaza fa niray tsikombakomba tamin’ny famonoana io.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre