Kianjaben’ny Mahamasina – Mitaky fanatsarana ny toeram-pivoahana
Amin’ny fananganana fotodrafitrasa hampiasain’ny vahoaka dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fandinihana akaiKy ny toeram-pivoahana. Olona maro no hampiasa izany ka tsy maintsy tsinjovina mba haharitra ela ary mila havaozina miaraka amin’ny fanajariana atao ihany koa. Efa fantatry ny maro manko ny antony fa fandotoana ny tontolo iainana ny fanaovana izany eny rehetra eny. Raha ny tsikaritra omaly teny Mahamasina manko dia hipokan’ny mpino katolika tonga nanome voninahitra ny raiamandreny avy any Roma ny kianja. Andaniny, iarahan’ny rehetra mahalala koa fa sarotra ny mivezivezy ao amin’io kianja lehibe io rehefa fotoana mahavory vahoaka be tahaka ireny omaly ireny. Saingy ny zavatra tena nampimenomenona azy ireo dia ny toeram-pivoahana satria ho an’ireo izay tonga aloha dia tsy navelan’ireo tompon’andraikitra nandrindra ny filaminana tao anatiny nampiasa ny toeram-pivoahana fa nalefa teny an-kalamanjana teo akaikin’ny vavahady amin’ny atsimo ny olona. “Misy fahasimbana ny wc ary tsy azo idirana”, araka ny valin-teny azonay.
Kalasoa